Ohabolana 8: Andriamanitra Manondro ny Tenany ho Fahendrena
Fahendrena (Andriamanitra) mijoro eo amin'ny fihaonan-dalana ka miantso ny olona hihaino azy (Prov 8:1-2).
Mofon'aina:
Ny fahendrena miantso ny olona hihaino sy hankeo amin'ny vavahadiny ary hiandry eo amin'ny tolam-baravarany.
Rehefa mandeha isika dia ireto no tsy maintsy ho ao an-tsaina:
- Ilay vavahady manao ahoana no ho lalovako, varavaran'aiza no hidirako.
- Eny an-dalana (eo am-piatrehana ny fiainana) ianao no miantso ny Fahendrena. Toerana roa manandanja voalaza tetsy ambony no voatsipika ato.
- "Mihaino, miari-tory eo am-bavahadiko"
- "Mihaino, miandry eo amin'ny tolam-baravarana"
VAVAHADY:
Ambohim-pihaonana: Tsena, Fitsarana, fivoriana ara-politika, Fampitam-baovao.
Ny teny fototra izay misy litera telo (SYR) ilazana ny hoe vavahady dia azo akana hevitra hoe: Tombana, fandrefesana, fisavana.
- Sambatra izay miaritory mandrakariva eo am-bavahadiko. Tsy tafandry mandry raha tsy manao tombana ny fiainana eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra.
- Tsy matory raha tsy avy mandrefy ny zava-bita; mitondra izany eo amin'Andriamanitra.
- Manao ho zava-dehibe ny hoe milamina ve izaho ity raha eo anatrehan'ny Tompo.
PTQ: Tsy ahatongavana ao an-trano no ela
ANTSO:
- Miarahamandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao
- Mankanesa eo am-bavahadiny ho tsarainy.
Rehefa avy namakivaky tontolo andro ianao, mifidiana ny vavahadin'ny fahendrena. Mandiniha tena ary meteza ho tsarain'Andriamanitra.
"MIANDRY EO AMIN'NY TOLAM-BARAVARAKO"
TOLAM-BARAVARANA:
Ilay hazo mifamatotra ka mampiorina tsara ny varavarana ahafahany mivoha sy mihidy.
- "Mihaino ary miandry eo amin'ny tolam-baravarana"
- Aoka ho liana amin'izay tena foto-javatra.
- Aoka hifantoka amin'izay mampiorina.
Ny Tolana no zava-dehibe fa tsy ny varavarana. Ilay tsy mihetsika, ilay tsy miontsona.
PTQ: Kristianina mivoaka sy miditra ny varavarana fa tsy miandry eo amin'ny tolana.
Kristianina misavilivily fa tsy miorina.
ANTSO:
- Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao
- Henoy ny antson'ny Fahendrena. Miandrasa eo amin'ny tolam-baravarana.
- Aza mivilivily tadiavo izay iorenana, mifantoha amin'izay fototra dia Jesoa Kristy.
FEHINY:
Amin'ity anio ity.
Hiara-mandeha amin’ny Tompo ianao:
- Rehefa vita ny tontolo andro dia henoy ny Tompo, aza adinoina ny mandini-tena (Vavahady).
- Rehefa avy mandini-tena ianao dia henoy ny Tompo, tadiavo izay ampiorina bebe kokoa (Tolam-baravarana).