Mofonaina Talata 13 aogositra 2024 – Estera 4.6-17

image_pdfPDF

Estera 4:16

Manamasina ny tenany ny mpino

  1. Mankato ny Tompo ao anatin'ny fotoan-tsarotra "Mandehana ary..."
    • Estera nankato an'i Mordekay.
    • Tsarovy ny fankatoavan'i Jesoa Kristy tao Getsemane.
    • Fanontaniana ho an'ny fisaintsainana: Efa nahatsiaro ve ianao fa nisy fotoana nandavanao ny sitraponao ka nirosoanao tamin'ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra na dia tena sarotra aza izany?

    Manamasina ny tenany ny mpino: feno fankatoavana.

  2. Mivavaka sy mifady hanina "Mifadia hanina..."

    • Estera niantso vavaka sy fifadian-kanina.
    • Tsarovy ny tenin'i Jesoa manao hoe: "Iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany."
    • Efa nifady hanina ve ianao raha niatrika sarotra na mihevitra ny hifady hanina manoloana ny loza mitatao (eo amin'ny fiainanao manokana na eo amin'ny firenena misy anao)?

    Manamasina ny tenany ny mpino: feno vavaka sy mifady hanina.

  3. Maharitra sy miray hina "hateloana andro sy alina"
    • Estera niantso faharetana sy firaisan-kina'ny tao an-dapa sy ny vahoaka.
    • Tsarovy fa mampiombona antsika amin'ny fivavahana Jesoa Kristy raha nampianatra ny vavaka "Rainay izay any an-danitra."
    • Impiry izao ianao no niara nanonona ny vavaka nampianarin'ny Tompo tamin'ny zanak'Andriamanitra dia ny Fiangonana? Inona no antenainao rehefa miara-manonona ny vavaka nampianarin'ny Tompo isika?

    Manamasina ny tenany ny mpino: Maharitra sy miombona amin'ny fivavahana.

Fehiny :

Mahereza manamasina-tena ao anatin'ny fankatoavana sy ny vavaka ary ny fiombonana.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Amena.

Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)

 

image_pdfPDF