Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. — Matio 4 : 20
Ny Soratra Masina manoloana antsika dia mitantara indrindra ny fiantsoan'i Jesoa ireo mpianany voalohany. Rehefa maty Jaona Mpanao Batisa, dia manohy ny fitoriana ny fibebahana i Jesoa ary niantso mpianatra (mpanara-dia hianatra aminy).
NY FAHEFAN'I JESOA AMIN'NY FIANTSOANA
Jesoa Kristy dia miantso olon-tsotra hamita raharaha miavaka. Fahefana miantso sy fahefana manefy (manova):
- Petera no nametrahan'ny Tompo ny fitokisany.
- Jaona no akaiky Azy indrindra.
- Jakoba no martiora voalohany.
Andrea dia nandray anjara tamin'ny fitoriana tany Azia Minora ary araka ny mpahay tantara dia maty martiora tany Grèce (nohombohana tamin'ny hazo fijaliana miendrika X).
PTQ sy ANTSO
- Mihevitra isika hoe tsy mbola miantso ny Tompo.
(Toriteny iray // fiantsoana iray) - Faly isika mihaino ny tantaran'ny fiantsoana ny hafa fa tsy mihaino ny antson'ny Tompo.
(Nandre ny fiantsoana ireto mpianatra ianao. Henoy fa miantso anao amin'ny fahefany koa ny Tompo) - Misy nanaraka ny Tompo fa tsy niova ary tsy nanao n'inona na inona.
(Nahatsiaro fiovana teo amin'ny fiainana ianao firy ny olona voasarikao hiara-mandeha amin'ny Tompo. Hatraiza koa izao ny lalana efa vitanao.)
NY FAMALIANA NY ANTSO AMIN'NY FINOANA
Ireo nantsoina dia namaly tsy misy hatak'andro ary nandeha tamin'ny fahatokiana. Ny asa sy ny ankohonana no nilaozana ho famaliana ny antson'ny Tompo.
PTQ sy ANTSO
- Nantsoina fa mbola hieritreritra
(Misaora raha mbola velona hanarin'ny Tenin'Andriamanitra fa tsy maty ho anatry ny velona) - Nantsoina fa tsy mahafoy
(Ny olona mamaly ny antso dia aoka hametraka 100% ny fiainany amin'i Jesoa.)
FEHINY:
Miantso ny Tompo, Hanefy anao Izy.
Efa namaly ny antsony ve ianao?
Raha tsy mbola namaly dia anio no fotoana, avelao izay tokony avela, afohizo izay tokony hafoy.
Miaraha mandeha amin'ny Tompo ary taomy ny hafa ho toa anao koa. Matokia hiampy hery eny am-pandehanana ianao.