MOFONAINA 23 OKTOBRA 2024 – Joba 42:1-6

image_pdfPDF

FANDAHARANA

    • Salamo 130:1-6
    • Hira 5 (FFPM)
    • Vavaka
    • Hira 482/4.5 (FFPM)
    • Soratra Masina : Joba 42:1-6
    • Hira 334/1 (FFPM)
    • HAFATRA
    • Vavaka + RZA
    • Fanekem-Pinoana 1
    • Hira HF8/2
    • Tsodrano

 

Joba 42:1-6

Konteksta

Joba nilaozan'ny fifaliana ary tonga tamin'ny fijaliana. Nilaozan'ny harena ka tonga tamin'ny fahantrana.
Joba 40-42: Fihaonany manokana amin'Andriamanitra ka anehoany faharesen-dahatra ho tsinontsinona eo anatrehan'Andriamanitra.
Joba 42:1-6: Teny farany nataon'i Joba mialoha ny famaranan'Andriamanitra ny asany taminy ary ny nahafatesany (Joba 42:7-17).
Mihavao ao amin'ny Tompo ny mino ary mihavao hatramin'ny farany. Ireto no dingam-pihavaozan'i Joba mialoha ny nahafatesany:


1 - Manaiky ny fahalehibiazan'Andriamanitra (andininy 1-2)

Joba 42:1-2
Ny fahalehibiazan'ny asan'Andriamanitra sy ny drafitr'asany.

FAMPIHARANA:
Ny olona tsy mijery afa-tsy ny fahoriany dia voafetra. Tafahitsoka fa tsy mihavao.
Ny olona miondrika amin'ny fahavoazany dia voafetra. Faribolana kely manodidina no sisa heveriny: Tavela eo izy.

  • Ohatra: Asafa (Salamo 73).
  • Ohatra: Jesoa Kristy "Nahoana no dia nahafoy ahy IANAO?"

ANTSO:
Ny olona mibanjina an'Andriamanitra miasa sy misaina ny momba azy no afaka hihavao (Jeremia 29:11 ).


2 - Manaiky hianatra (andininy 3-5)

Joba 42:3-5
Miara-manaiky isika fa ny fianarana dia manavao sy mampandroso.

  • Ohatra 1: Mpanarato trondro rehefa nanaiky ho mpianatra dia lasa mpanarato olona.
  • Ohatra 2: Timoty nianatra ny Soratra Masina fony vao zaza dia tonga mpitondra fiangonana.

Joba niainga teo amin'ny tsy fahalalana, nanomboka teo amin'ny fandrenesana ka tonga tamin'ny fahitana: Nihavao sy nitombo tamin'ny fahalalana sy ny fifandraisana tamin'Andriamanitra izy.

FAMPIHARANA:
Olona mionona amin'ny fandrenesana ka tsy mihavao. Tsy mety ho tafahaona amin'ny Tompo.

ANTSO:
Ny olona mianatra mandrakariva sy mitombo fifandraisana amin'ny Tompo no afaka hihavao.


3 - Manaiky ny fahadisoana (andininy 6)

Joba 42:6
Fatra-panome tsiny sy nifanditra lava tamin'Andriamanitra i Joba nandritra ny fijaliany. Ety am-pamaranana dia manaiky ny fahadisoany tamin'izany izy.

  • Ohatra: Asafa ihany "Ketrina aho ka tsy nahalala, eny biby teo anatrehanao aho" (Salamo 73:22).

FAMPIHARANA:
Raha misy olona tsy anantenam-pivoarana dia ny olona tsy manaiky diso. Raha misy olona tsy anantenam-pihavaozana dia ny mpanamarin-tena.

ANTSO:
Ny olona manaiky ny fahadisoany ary mamela ny fahamarinan'Andriamanitra hanavao azy no afaka hihavao.

image_pdfPDF