Mt 5:13-16
Fanondroana sy fanendrena no ataon'i Jesoa amin'izao ampahan'ny Toriteniny izao.
Manamasina ny tenany ny mpino
- Voatondron'i Jesoa ho fahazavana ny mpino
"Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao" (Mt 5.14a).- Ireo mpianatra nanatona akaiky Azy no tondroin'ny Tompo eto (Mt 5. 1).
- Ny fanatonana akaiky ny Tompo no antom-pahamasinana.
- Hitan'ny Tompo ny finiavanao hanatona sy hihaino Azy ary dia tondroiny ianao ka lazainy hoe "Fahazavan'izao tontolo izao."
- Voatendrin'i Jesoa ho fahazavana ny mpino
"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo hahitany ny asa soa ataonareo..." (Mt 5.16a).- Tsy mihiboka ao amin'ny fahamasinany ny mpino fa tendrena haneho izany fahamasinany izany eny amin'izao tontolo izao.
- Fandraisana ny fahamasinana enti-miaina ny fanatonana ny Tompo.
- Ny olona manamasina ny tenany dia tendrena hanamasina ny fiaraha-monina indrindra koa amin'ny asa ataony.
FEHINY
Ianao no tondroin'ny Tompo ho fahazavana: Mihazavà
Ianao no tendren'ny Tompo ho fahazavana: Miasà
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra
Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)