Mofonaina 21 Aogositra 2024 – Isaia 52.11-12

Isaia 52:11-12
Manamasina ny tenany ny Mpino

Baikona hiala amin'ny endriky ny tsy fahamasinana ary amin'ny fomba rehetra isika: Mialà, Mivoaha, Madiova.

  1. Baiko sy Fandidiana ataon'ny Mpaminany ho an'ireo Babo tany Babylona ny hialana amin'izay tsy madio :
    • Tsy tambazana hiala fa didiana.
    • Eto amin'izao tontolo izao, isika dia mba ifampahery hiala amin'izay endrika tsy fahamasinana rehetra tokoa.
    • Aza miandry tambim-pitahiana vao hiroso amin'ny fahamasinana.

     

  2. Any Babylona ny Zanak'Israely no didiana hivoaka sy hiala :
    • Eto amin'izao tontolo izao, isika no andrasana hibebaka sy hiala amin'ny fanandevozan'ny ota.
    • Aza miandry any an-danitra koa vao hiala amin'ny fahotana.

Amin'ny fanatanterahana ny baikony, tsarovy mandrakariva fa eo aloha ary mitarika antsika ny Tompo.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)