Jeremia 12:1-6
Hay, mpahazo antsika mpino ny toy izao miseho amin'ny Jeremia izao. Tsaroana koa ny Salamo faha-73, ilay tonon-kira nataon'i Asafa, manontany an'Andriamanitra hoe: "Nahoana no ambinina ny ratsy fanahy?"
Amin'ny adim-panahy tahaka izao no iantsoana ny mpino hanamasin-tena ka isehoany ho miavaka eo anatrehan'ny hafa.
- Manetre tena (and. 1) Ankatoavy fa lehibe noho ny fahalalantsika ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrana antsika. MATOKIA.
- Mijoroa hatrany (and. 1-2) Ny tena fahamasinana dia ny fijoroana ao anatin'ny fotoan-tsarotra. Raha hitanao fa mahavokatra ny hafa, MIJOROA mba hamoa.
- Mihazakazaha mafy kokoa (and. 5) Mandehana soavaly fa aza mandeha an-tongotra intsony. Ampitomboy ny fanompoana ary miomana amin'ny ady ara-panahy sarotra kokoa. MAHEFÀ be.
- Mahareta hatrany (and. 6) Aza atao hampihemotra ny fandaozan'izay noheverinao ho namana. Aza miherika amin'ny feon'izay miantso anao hijanona. Mifikira amin'Ilay Andriamanitra tsy mba mivadika. AZA MIHEMOTRA.
FEHINY
Manamasina ny tenany ny Mpino:
- MATOKIA
- MIJOROA
- MAHEFÀ BE
- AZA MIHEMOTRA.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)