Mofonaina 18 Septambra 2024 – Matio 21:18-22

Mt 21:18-22

Konteksta
Fiandohan'ny herinandro Masina.
Andro maraina.
Mihevitra sakafo i Jesoa:
Diso fanantenana vao maraina? Tezitra maraina ve? Manozona maraina ve?
Miorina amin'ny finoana ny Mpino.
Andriamanitra manao ahoana ny Andriamanitra inoantsika? Ilay Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy.


1 - Mahafantatra ny maha olona

Niainan'i Jesoa ny alina sy ny maraina.
Nataony izany hoe noana sy mitady sakafo.
Fantany ny hoe tsy mahita harapaka.

Zava-misy :
Hadinontsika fa tena efa tonga nofo i Jesoa. Heverintsika ho toy ny mpanankarena tsy nandalo fahantrana Izy.

Antso :
Fantaro fa izay niainanao dia efa nandalovan'i Jesoa. Aoreno amin'ilay mahafantatra ny momba anao ny finoanao.


2 - Mahery amin'ny Teniny

Tantara maro ao amin'ny Soratra Masina no milaza amintsika ny herin'ny Tenin'Andriamanitra:

  • Ny tantaran'ny fahariana (Genesisy)
  • Ny tantaran'ny fampitoniana ny ranomasina (Filazantsara)
  • Ny tantaran'ny fitorian-teny nanindrona ny fo (Asan'ny Apostoly)

Zava-misy :
Ampandalovintsika fotsiny ny Teny fa tsy raiketintsika.
Ampitoviantsika amin'ny boky rehetra ny Baiboly, eny tonga latsa-danja aza eo anatrehan'ny fahalalana hafa.

Antso :
Ekeo hanan-kery aminao ny Tenin'Andriamanitra fa izany no fahavelomana ho anao. Aoreno amin'ny Tenin'Andriamanitra ny finoanao.


3 - Manana fahefana hanafay

Ny fanoharana voalaza etsy amin'ny (Mt 21:33-41) dia manambara fa tena ho avy ny famaizana ho an'izay tsy mamokatra.
Ny vokatra nandrasana dia ny finoan'ny Jiosy.

Zava-misy :
Ela naniriana fa tsy misy vokatra.
Ela nidirana sy nivoahana teto amin'ny Fiangonana fa ny eo ihany no eo. Ravina fotsiny.

Antso :
Tandremo ny variana maniry fa aoka mba hamoa amin'izay, ndrao ho tratry ny famaizana sy ny fanozonana mandrakizay.


4 - Tompon'ny Mandrakizay ny Tompo

Ny voambolana nadika hoe "mandrakizay" eto dia ilay voambolana mamaritra ny toetran'Andriamanitra (Heb 6:13; Jn 12:34; 1 Pi 1:25).
Ny fotoana fohy nandalovan'ny Tompo tsy nahitana voa dia nahatonga fanozonana mandrakizay.

Zava-misy :
Ny indraindray tonga, ny indraindray tsy tonga.
Ny indraindray hendry, ny indraindray maditra.

Antso :
Fadio ny indraindray fa mety hahatonga fanozonana mandrakizay.
Tsarovy fa ny Andriamanitra inoanao dia Andriamanitra ny mandrakizay. Aoreno aminy ny finoanao.