MOFONAINA 16 OKTOBRA 2024 – Asa 2:5-13

image_pdfPDF

Mofonaina 16 Oktobra 2024

FANDAHARANA

  • Sal 19,1-4
  • Hira 24
  • Vavaka
  • Hira 177/1
  • Soratra Masina Asa 2.5-13
  • Hira 190/1
  • HAFATRA
  • Vavaka + RZA
  • Fanakem-Pinoana 1
  • Hira 545/3
  • Tsodrano

Asa 2:5-13

Asa 2:5-13

Konteksta

Niakatra ao Jerosalema ny jiosy rehetra hatrany am-pielezana hankalaza an'Aa noho ny fetim-piangonana pentekosta. Izany dia ny 50 andro taorin'ny paska (nivoahana tany Egypta) ka hahatsiarovana ny nanomezana ny lalàna FIHAVAOZAN'NY TANTARAM-PAMONJENA.


1- ASA'NY FANAHY MASINA

2- ASAN'NY TENY

3- ASAN'ANDRIAMANITRA


1- ASA'NY FANAHY MASINA

  • Gen 1: Fahariana: Aa nanavao ny endriky ny tany + Fanahy Masina.
  • Lioka 1: Jesoa Kristy: Aa nanavao ny asam-fahariana + Fanahy Masina.
  • Asa 2: Fanahy Masina: Aa manohy ny fanavaozana + Fanahy Masina.

Fampiharana

Olona mihavao tokoa rehefa niasan'ny Fanahy Masina.
Olona tsy miova satria nandalovan'ny Fanahy Masina.

Antso

Fantaro fa isaky ny manaiky ny asan'ny Fanahy Masina ianao dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny Fanahy Masina hanavao anao.


2- ASAN'NY TENY

"Nandre araka ny fiteniny avy."
Misy akony lehibe ny teny:

  • Ny teny mety manova ny fisainana.
  • Ny teny manova ny fiainana.
  • Ny teny manova fifandraisana.

Eto ny Teny dia nanavao ny fisainan'ireo nandre ny Apostoly niteny tamin'ny fiteniny avy.
Mpino Jiosy novangin'ny Teny dia nisaina zavatra vaovao.

Fampiharana

Arakaraky ny handrenesana no ihavaozana (Fianarana, Fiaraha-monina, Fiangonana).

Antso

Fantaro fa isaky ny manaiky hihaino sy iasan'ny Tenin'Aa ianao dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny Tenin'Aa hanavao anao.


3- ASAN'ANDRIAMANITRA

Fitenin'Andriamanitra ny hoe "vaovao" ary asan'Andriamanitra ny fihavaozana.

  • Fanahy vaovao, fo vaovao, tany vaovao, lanitra vaovao, olom-baovao.
  • "Indro havaoziko ny zavatra rehetra."

Amin'ity Soratra Masina ity dia voalaza fa ny asa lehibe nataon'Andriamanitra no nampahafantarina.
Vanim-potoana vaovao no sokafan'Andriamanitra eo amin'ny tantara.

Fampiharana

Ny fisehoan'Andriamanitra amin'ny asany mahagaga dia fisokafana amin'ny zavatra vaovao (Taona vaovao, Volana vaovao, Andro vaovao, Famindram-po vaovao, Fahavelomana vaovao...).

Antso

Fantaro fa isaky ny manaiky iasan'Andriamanitra dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny asan'Andriamanitra hanavao anao.


FEHINY

Mpino mihavao:

  • Manaiky iasan'ny Fanahy Masina.
  • Manaiky iasan'ny Tenin'Andriamanitra.
  • Manaiky iasan'Andriamanitra.
image_pdfPDF