Lioka 12:4-7
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. — Lioka 12 : 7
Manamasina ny tenany ny mpino
- Miaina amin'ny Fahatokiana sy ny Finoana
- Manoloana ny fanenjehana nahazo an'i Jesoa sy ny mpianany, dia nampahery azy ireo i Jesoa mba hatoky an'Andriamanitra. Efa fanaon'i Jesoa izany, ohatra, raha nahery ny tafiotra dia hoy i Jesoa, "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?"
- Fampiharana: Rehefa avy izay fisedrana dia resin-tahotra sy manary toky isika Kristianina. Mampiala amin'ny finoana aza indraindray ireny sedra ireny.
- Antso: Aoka hiavaka ny manompo sy ny tsy manompo an'Andriamanitra eo am-piatrehana ny sedra, indrindra rehefa miatrika ny sedra noho ny fijoroana ho Kristianina.
- Mahafohy ny Fanahiana
- Feno fanahiana ny amin'ny ho aviny ny mpanara-dia ny Tompo. Fantatry ny Tompo amin'ny antsipirihany anefa ny momba antsika. Raha vao nanomboka nampianatra ny Tompo dia ny "Aza manahy" no isan'ny fototry ny fampianarany, "Aza manahy ianareo ka manao hoe..."
- Fampiharana: Mihevitra isika rehefa tojo ny sarotra fa miafina amin'Andriamanitra ny momba antsika. Hadinon'Andriamanitra isika. Amin'izany dia lasa maka ny toeran'Andriamanitra isika ka miahy tena.
- Antso: Aoka hiavaka ny manompo sy ny tsy manompo an'Andriamanitra, ka manoloana ny zavatra mitranga maha-be fanahiana dia tsarovy fa voaisan'Andriamanitra ny volon-dohantsika.
- Manome Lanja ny Fiainana Mandrakizay
- Ambaran'i Jesoa eto, na dia tsy mivantana aza, fa tsinontsinona manoloana ny fiainana mandrakizay ny fiaretana ny sedra hatramin'ny fahafatesana noho ny fijoroana ho mpianatry ny Tompo.
- Fampiharana: Mahavantana antsika ny miaro tena tsy ho voa raha misy loza mitatao. Raha mbola afaka misafidy isika dia aleo maty rahampitso toy izay maty anio. Raha ny sitrapontsika dia aleo ny hafa aloha no ho faty fa tsy isika.
- Antso: Aoka hiavaka ny manompo sy ny tsy manompo an'Andriamanitra. Mivonona hijoro hatramin'ny fahafatesana raha misy ilana izany. Hevero ny fiainana mandrakizay.
Fehiny
Manamasina ny tenany ny mpino:
- Fenoy fahatokiana sy finoana ny andavanandronao.
- Fadio ny fanahiana.
- Omeo lanja ny fiainana mandrakizay.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)