Romanina 6:1-14
Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. — Romana 6 : 14
Manamasina ny tenany ny mpino
- Miainga amin'ny Fahasoavana
- Ny fahamasinana dia tsy vokatry ny ezaka ara-pitondratena ataontsika.
- Ny fahamasinana koa dia tsy araka izay famaritana heverintsika.
- Ny fahamasinana dia asan'ny Fahasoavan'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Tsy fanomezan-dalana hanota akory ny fahasoavana fa hery enti-mandresy ny fahotana kosa.
- Fampiharana: Heno matetika avy amintsika mpino ny filazana hoe tsy misy ny masina tanteraka fa mihezaka e!
- Antso: Tsy diso izany saingy tandremo sao adinointsika fa sasatra foana isika raha ny herimbatana sy herintsaintsika no ihetsehantsika amin'ny fanamasinan-tena. Aoka hiara-hiainga amin'ny Fahasoavan'Andriamanitra ny fanapahan-kevitrao hanamasin-tena.
- Miaina amin'ny Fahasoavana
- Rehefa nanana fanapahan-kevitra hanamasin-tena eo ambany fahasoavan'Andriamanitra isika dia miaina isan'andro amin'izany fahasoavana izany ka afaka miteny ny "Sanatria izany" isaky ny mifanehatra amin'ny fakam-panahy. Tonga fiainana ny fandresena ny ota. Tena fiainana vaovao ao amin'i Kristy ny fahamasinana.
- Fampiharana: Mahatsiriritra ny fiainam-pahamasinan'ireo mpino tena niainga tamin'ny fahasoavana. Taratra eo amin'izy ireny ny fahatsaran'i Kristy. Tena olona miavaka izy.
- Antso: Azontsika atao tsara ny miaina tahaka azy ireny raha vonona hiaina amin'ny Fahasoavana mandrakariva isika. Fahavelomana sy fianam-baovao ao amin'i Kristy ny fahamasinana.
- Mihanina amin'ny Fahasoavana
- Tsy ampy ny hoe miainga sy miaina amin'ny fahasoavana rehefa manamasin-tena fa ilaina indrindra koa ny mihanina amin'ny fahasoavana. Mihanina: izany hoe mitoetra tsara sy mahazo fy amin'ny fahasoavana.
- Fampiharana: Rehefa nanana fanapahan-kevitra tsara hiroso amin'ny fahamasinana isika ary niaina fiainam-baovao ao amin'i Kristy dia mety alaim-panahy hanenina indraindray mahita ny ratsy fanahy ambinina, mijery ivelany ny fahatretrehan'ireo manao tsy ho tratry ny aloka ka mameno ny fiainany amin'ny zavatra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Tonga mihozongozona ny fijoroantsika amin'ny fahamasinana.
- Antso:
- Tandremo tsara ny Fahasovana efa noraisinao ka nanombohanao ny fiainam-pahamasinana.
- Aoka hihanina sy hitoetra tsara amin'izany ianao. Mahaiza mankafy ny fiainam-baovao nomen'i Jesoa Kristy.
Fehiny
Manamasina ny tenany ny mpino:
- Raiso ny fanapahan-kevitrao Hiainga (hanomboka) amin'ny fahasoavan'Andriamanitra,
- Hiaina ny fahasoavan'Andriamanitra, ary hihanina (hitoetra am-pifaliana) amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.
Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)