Mofonaina 09 Septambra 2024 – Mika 7:7-10

Mic 7:7-10

Konteksta : 2.1; 2 + 3.9-11 + Fihitaran'ny fandravana ataon'ny Asyriana (720 T.K.)
Miorina amin'ny finoana ny mpino

1 - Manantena eo anatrehan'izay mahakivy ny maro (Mic 7.7-8)

Ny zava-nisy dia voalaza ao amin'ny Mic 7.1-6.
Fiorenana amin'ny finoana miteraka fanantenana.
Mpino mibanjina an'Andriamanitra (Mijery) ary Andriamanitra manongilan-tsofina (mihaino): fifandraisana akaiky izany. Asan'ny finoana.

Fampiharana:

  • "Tsy hita intsony izy ity e"
  • "Sokina nananika vato: tapitra lalana aleha"
  • "Valala voatango: very fanahy mbola velona"

Antso:
Ny olona miorina amin'ny finoana dia izay miombona amin'ny Soratra Masina manao hoe: Rom 4.18 ("na dia tsy nanantenana intsony") sy 2 Cor 4 ("very hevitra fa tsy mamoy fo").
Ny mpino miorina amin'ny finoana dia manantena ao anatin'ny sarotra na dia mbola tsy mahita soritra vahaolana aza. Kivy ny rehetra fa ianao manantena.


2 - Matoky ny famonjen'Andriamanitra (Mic 7.9)

Hafatra mivoitra ao amin'ny faminanian'i Mika:

  • Fahatezerana ara-drariny ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny mpanota.
  • Mihelina ny famaizan'Andriamanitra.
  • Maharitra sy mandrakizay ny famonjeny.
  • Sady mandratra izy no manasitrana.
  • Manafay izy fa manarina indrindra koa.

Tsy fahorian-tsaina ihany no manjo ny olona miorina amin'ny finoana fa fahoriam-panahy indrindra koa.
Tena mampiavaka ny mpino izany.
Ory satria mahatsiaro ny fahadisoana. Ianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra saingy matoky ny famonjeny.

Fampiharana:

  • Mpino 1: Mpivavaka manamarin-tena.
  • Mpino 2: Mpivavaka tsy mahatsiaro tena.
  • Mpino 3: Mpivavaka mandini-tena.

Antso:
Ny mpino miorina amin'ny finoana dia tsy miady saina noho ny fahavoazana iombonany amin'ny maro fotsiny fa mandini-tena ka mahatsiaro ny tsy fahatanterahany eo anatrehan'ny Tompo. Dia torotoro fo kanefa matoky ny famonjen'Andriamanitra.


3 - Mibata fandresena (Mic 7.10)

Ny fahavalo tondroina eto dia ireo misalasala ny amin'ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ka tonga maneso ny mpino.
Ny fotaka eto dia milaza fampietrena tanteraka ny fahavalo ary fampiharihariana ny fandresen'Andriamanitra omeny ny mpino.
Mikombona ny vavan'ny mpaneso sy ny mpanenjika.
Maharitra sy lavitr'ezaka ny ady fa azo antoka ny fandresena.

Fampiharana:
Maro ny mpino tsy miorina ka voataona hiala.
Misy ny mpino tsy mahatanty lazon'ady dia mitsoaka an-daharana.

Antso:
Ny finoana miorina dia mandrotsaka anaty ady lavitr'ezaka andrasan'ny fibatana fandresena.
"Izay maharesy..." (Apo 2 sy Apo 3: fampanantenana 7 ho an'ny fiangonana 7).


Fehiny:
Izaho sy ianao no Mika mpaminany ankehitriny.
Aoka hijoro ho vavolombelona amin'ny finoana miorina tsara isika.

Mpino:

  • Tsy kivy fa manantena
  • Matoky famonjena
  • Mibata fandresena.