Mofonaina 05 Aogositra 2024 – 1 Tes 3:11-13

1 Th 3:11-13

FITARIHANA

I Tesaloniana dia mampianatra ny fiangonana mikasika ny fihavin'ny Tompo izay nahadodona ny Kristianina tamin'izany ka nahatonga azy ireo "toy ny miandry izay higadonany". Noheverin'ny fiangonana fa miandry sisa no atao satria efa ho avy ny Tompo. Eto ny mpanoratra (Paoly) dia manonona antom-bavaka:

  • Ny mba handaminan'ny Tompo ny fandaharam-potoanany hamangy ny fiangonana tao Tesalonika.
  • Ny hitomboan'ny fiangonana amin'ny fitiavana sy ny fahamasinana eo am-piandrasana ny fihavian'ny Tompo.

Mpino manamasina ny tenany

1. Mampitombo ny fifankatiavana

Isika dia ampianarin'ny Soratra Masina hifankatia. Jn 13:34-35. Isika dia ampaherezin'ny Soratra Masina hitombo amin'ny fihavanana. Rm 12:18.

FAMPIHARANA:

  • Maro ny zava-miseho mampihena ny fifankatiavan'ny olona ankehitriny (tsy fisiana mampanidy varavarana, ny tsy fifampitokisana...)
  • Miroborobo ny fifandraisana an'habakabaka ka ahazoana olona maro ho namana. Namana tsy hita antenaina na mamitaka sy mivaro-dresaka.
  • Misy mpino mitoka-monina sy mihevi-tena ho zavatra ka tsy miharoharo aman'olona.

ANTSO:

  • Ny fanamasinan-tena tsy fitokana-monina na fanaovana tsinontsinona ny hafa.
  • Tadiavo mandrakariva izay fomba hitiavana ny manodidina.
  • Ampitomboy ny fifandraisanao amin'ny mpianakavin'ny finoana.
  • Sorohy ny ady sy ny fifandirana.
  • Aoka tsy ho mpampiady fa ho mpampihavana kosa. Izany no fahamasinana.

2. Mampitombo ny fahamasinana

Ny Soratr'i Paoly dia ahatarafana ny heviny ny amin'ny atao hoe fahamasinana: Asan'Andriamanitra izany. 1 Th 5:23, Fahariana vaovao Eph 4:24. Finiavana avy amin'ny olona koa: Fanoloran-tena Rm 12:1. Fialana amin'ny loton'ny fahotana 2 Co 7:1.

FAMPIHARANA:

  • Manelingelina ny olona ny fiainantsika ny fahamasinana. Anesoana sy anenjehana antsika koa aza.

ANTSO:

  • Aoka tsy ho kivy isika.
  • Hevero izay hialana amin'ny fahotana mbola mamatotra. Mibebaha.
  • Mandosira ny fakam-panahy.
  • Ataovy mifanitsy amin'ny Sitrapon'Andriamanitra ny fiainanao.

3. Mivonona amin'ny fihavin'ny Tompo.

Rehefa nangina 400 taona Andriamanitra teo anelanelan'ny Mpaminany sy ny fahaterahan'i Jesoa dia olom-bitsy toa an-dry Hana sy ry Zakaria ary ry Simeona no nifototra ka niandry ny fahatanterahan'ny Teny fikasana. Ireo no nanamasina ny tenany.

FAMPIHARANA:

  • Maro ny olona no miodinkodina fotsiny fa tsy mihevitra ny farany. Tsy mahafantatra ny antom-pisiany.
  • Isika mpino Kristianina koa aza indraindray dia faly hivoaka sy hiditra ny fiangonana fotsiny toy ny mijery lanonana.
  • Tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no ho tantazana. Te handeha dia mandeha...
  • Mivavaka rehefa tsy misy atao....

ANTSO:

  • Fotoam-piomanana amin'ny fihavian'ny Tompo ny fahavelomantsika eto an-tany.
  • Aza mipetrapetraka.
  • Aza mitaredretra.
  • Aza manao kitoatoa.
  • Aoka ho malina amboary izay tokony mbola amboarina.

FEHINY

Amasino ny tenantsika:

  • Ampitomboy ny fifankatiavana.
  • Ampitomboy ny fahamasinana.
  • Mivonona fa ho avy ny Tompo.