Mofonaina 04 Septambra 2024 – MATIO 8.5-13

Matio 8.5-13

Mt 8.5-13

KONTEKSTA
Manam-boninahitra Romana manatona an'i Jesoa mangataka ho an'ny Mpanompony (ankizilahiny)

1- FINOANA MAMPAHAGAGA

ROMANA (Jentilisa. no tonga amin'ny finoana)
Manam-boninahitra (miaramila no resy lahatra)
FAMPIHARANA
Fifaliana mahita ireo be galona mivavaka, fahagaganany mahita mpanompo sampy tafiditra am-piangonana, reherehan'ny Fiangonana ny hoe nisy manam-pahefana namaly ny fanasany.
ANTSO
Isika tafahaona ao anatin'izao fanompoam-pivavahana izao
Asehoy fa miorina amin'ny finoana ianao na inona na inona toerana misy anao eo amin'ny fiarahamonina mba ho tonga figagana eo imason'ny olona ianao noho ny finoana iainanao.

2- FINOANA MAMPANETRY TENA

Ao amin'ny Soratra Masina dia misy ny filazana olona natosiky ny finoana ka nanetry tena teo anatrehan'ny Tompo.
Tandapa Etiopianina (Ac 8,36)
Vehivavy manan-kaja (Ac 17.12)
FAMPIHARANA
Ny Fiangonana amin'izao dia mitodika amin'ireo marefo sy mila vonjy ara-materialy.
Ny fiaraha-monina dia mihevitra fa tsy mila an'Andriamanitra ny olo-manan-kaja sy manan-katao.
Ny manam-boninahitra dia miandry zavatra manokana vao hanatona ny Tompo.
ANTSO
Isika manaraka izao fanompoam-pivavahana izao,
Asehoy fa miorina amin'ny finoana ianao, ento manatona ny Tompo amin'ny fanetren-tena ny voninahitra anananao.
Ento manatona ny Tompo amin'ny fanetren-tena izay rehetra mety ho reharehanao (harena sy fananana, Tanjaka sy hery, endrika amam-bika; fahaizana amam-pahalalana...)

3- FINOANA MAMPIHEVITRA NY HAFA

Ny finoan'ilay kapiteny eto dia nasehony amin'ny fiheverana ny mpanompony.
Tsy nihodinkodina teo amin'ny momba azy ny antony nanatonany ny Tompo fa ho an'ny hafa.
FAMPIHARANA
Mazana rehefa mivavaka isika dia mihitsoka eo amin'izay atao hoe momba ny tena. Raha miitatra kely dia ny amin'ny vady aman-janaka, ankoatr'izay efa mahalana ny fangatahana ho an'ny fianakaviana, ohatry ny tsy misy ny mpifanila-bodirindrina.
Mijanona eo amin'ny fosafosa ny momba ny mpiara-miasa.
Ampy rehefa natao resa-be ny olana eo amin'ny firenena. Mandany fotoana ary toa afa-po tamin'ny fitsikerana.
ANTSO
Isika miombona manoloana izao hafatr'Andriamanitra izao.
Asehoy fa miorina amin'ny finoana ianao, Aza mihevitra ny hahasoa ny tena ihany fa saino koa izay hamonjen'i Jesoa ny hafa: Mivavaha ho an'ny manodidina anao na ny lavitra na ny akaiky, eny na izay tsy fantatrao akory aza.