Mofonaina 02 Septambra 2024 – Jaona 3:25-30

Mofonaina 02 Septambra 2024

Jn 3:25-30

Konteksta: Mihen-danja ny asan'i Jaona mpanao Batisa raha oharina amin'ny ataon'i Jesoa. Mampahafantatra izany ny mpanara-dia an'i Jaona. Hazavain'i Jaona kosa ny antom-pisiany ary ny Jn 3:30 dia fehinteny hentitra sy mazava entin'i Jaona manambara ny fifandraisany amin'i Jesoa.

1. Ny tanjon'ny fanompoany:

Jesoa mitombo.
Paoly Apostoly: "Kristy no antony hahavelomako."
Ny antom-pisian'ny Fiangonana dia hisongadinan'i Jesoa eny rehetra eny.

FAMPIHARANA

  • Mpivavaka malaza.
  • Mpitarika misongadina.
  • Mpanakanto ikoizana.
  • Fiangonana manindraindra ny tenany.

ANTSO:
Amarino raha tena mikendry ny hampisongadina an'i Kristy ny ataonao, fa ny mpino miorina amin'ny finoana dia mihevitra mandrakariva izay hahitana an'i Jesoa eo amin'ny fiainany. Miteny tahaka an'i Jaona hoe "IZY tsy maintsy mitombo."

2. Ny fombany amin'ny fanompoana:

Jaona mihena.
Iray amin'ny famantarana ny fiorenan'ny mpino ny fananany fanetren-tena (Phil 2:5 ss, hiran'ny fanetren-tena: "nofohanany ny tenany...").

FAMPIHARANA:
Ireto no misongadina ankehitriny:

  • Fampivelarana ny maha izy azy ny tena.
  • Fikoloana endrika amam-bika.
  • Teny aloaky ny vava izay andrenesana tsy mijanona ny IZAHO.
  • Ny fandokafana ny tena sy ny fiandrasana doka amin'ny sary naely.

ANTSO:
Amarino raha tena mitondra anao amin'ny fanetren-tena ny finoanao. Fa ny mpino miorina amin'ny finoana dia miteny tahaka an'i Jaona hoe "Izaho tsy maintsy mihena."

Miorina amin'ny finoana ny mpino ka

  1. Manompo ho voninahitr'Andriamanitra.
  2. Manompo amin'ny fanetren-tena.