Mofonaina 02 Oktobra 2024
Gen 17:1-8
Mihavao ao amin'ny Tompo ny Mpino
Ny Tompo no mitondra fihavaozana ho antsika. Ireto no dingana milaza izany ato amin'ity anjara mofon'ainantsika ity:
- Fanavaozam-piantsoana
- Fanavaozam-panekena
- Fanavaozana anarana
- Fanavaozana fanantenana
1. Fanavaozam-piantsoana (Andininy 1-2)
Genesisy 12: Fiantsoana an'i Abrama (75 taona i Abrama - Gen 12:4)
Genesisy 15: Fanorenana ny fanekena
Genesisy 16: Fahalavoana sy olana ara-pianakaviana (83 taona i Abrama - Gen 16:16 // Gen 3)
Genesisy 17: Miseho ny Tompo amin'i Abrama amin'ny faha-99 taonany, miantso azy sy mamerina azy amin'ny fahitsiana (Gen 17:1).
Mpino mihavao: Vangin'ny Tompo sy ahitsiny amin'ny fahadisoana nataony.
Mihavao hatrany noho ny fisehoan'ny Tompo.
EFA TAFAHAONA TAMIN'NY TOMPO SY NANDRE NY ANTSONY VE IANAO?
2. Fanavaozam-panekena (Andininy 3-4)
Rehefa nahita sy nandre an'i Jehovah i Abrama dia niankohoka.
Fihetsika mitory fanetren-tena, fankatoavana, ary fanajana.
Novalian'Andriamanitra tamin'ny fanavaozana ny fanekena izany.
Mpino mihavao: Mibebaka sy miverina mifandray amin'Andriamanitra.
Vonona hanavao ny fanekeny aminao ny Tompo ("raha ny Amiko") raha mibebaka marina ianao.
EFA NIBEBAKA VE IANAO?
3. Fanavaozana anarana (Andininy 5)
Abrama no rain'i Ismaela, fa Abrahama kosa no rain'i Isaka.
Tena nanavao ny manontolon'i Abrama ny Tompo rehefa nanova ny anarany ho tonga Abrahama.
"Raha misy olona ao amin'i Kristy... dia olom-baovao izy" (2 Kor 5:17).
Izany no maneho ny fahaterahana indray.
Mpino mihavao: Mahita fiovana tanteraka eo amin'ny fiainany sy ny momba azy.
EFA TENA TSAPANAO VE FA NANOVA ANAO ANDRIAMANITRA?
4. Fanavaozana fanantenana (Andininy 6-8)
Niseho tamin'i Abrama tao anatin'ny ady sarotra ny Tompo ary nanavao indray ny fanantenany.
Olona vaovao sy fanantenana vaovao.
Fanantenana mandrakizay izay miorina amin'ny fanekena mandrakizay.
- Fahavelomana
- Fahefana
- Fonenana
- Finoana
Mpino mihavao: Feno fanantenana mandrakizay.
TENA MANANTENA FIHAVAOZANA ISAN'ANDRO MANKAMIN'NY MANDRAKIZAY VE IANAO?