Mofonaina 01 Aogositra 2024 – Hebreo 12:14-17

image_pdfPDF

Hebreo 12:14-17

Taratasy ho an'ireo Jiosy Kristianina niaran'ny fanenjehana.

MANDROSOA AMIN'NY FAHAMASINANA (Heb 12:14)
Soatoavina anankiroa andrandraina amin'ny Fiangonana mitory ny Filazantsara ny fihavanana sy ny fahamasinana (Fifankatiavana sy ny fanokanan-tena ho an'Andriamanitra).
Ny fijoroana amin'izany dia miantoka ny isan-jatony betsaka amin'ny fitoriana ny Filazantsara.
Ity anjara mofon'ainantsika ity dia nandoharana hafatra (03) azo entina amin'ny fitoriana ny filazantsara.

1. AZA MIALA AMIN'NY FAHASOAVANA (Heb 12:15)
Ny foto-dresaky ny Fitoriana ny Filazantsara dia ny fanambarana fa ny famonjen'Andriamanitra ny mpanota dia fahasoavana.
Fanomezana lafo vidy (ran'i Kristy) tsy tokony ho antsika kanefa natolony maimaim-poana mba ho famelana ny helotsika.
Vanim-potoana mampahery vaika ny fakam-panahy ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny (Fanolanana ny Filazantsara, ny fanoherana ny filazantsara an-kitsirano).
Lazaina fa tsy ampy Jesoa Kristy na tsy ilaina Jesoa Kristy.
Hafatry ny Tafika Masina voalohany/
Torio ny hoe:
AZA MIALA AMIN'NY FAHASOAVANA.
Tena ilaina ary ampy ny fahafatesan'i Jesoa Kristy teo amin'ny Hazo Fijaliana sy ny Fitsanganany tamin'ny maty ho famonjena.

2. AZA AMIDY NY FINOANA (Heb 12:16)
Esao dia matin-kanin-kely ka nivarotra ny fitahiana nomena azy (Gen 25:29-34).
Anankiray amin'izay malaky mahavoa ny Fiangonana (ny mpino) ny tsy faharetana manoloana ny haren'ny tany.
Ny tsy fiaretana ny fahoriana ateraky ny fijoroana kristianina.
Mahajamba ny masontsika tsy hibanjina an'i Kristy sy ny fitahiam-panahy izany.
Mahatonga fivadihana finoana.
Miteraka fialana amin'ny Fiangonana.
(hitady sakafo aloha fa tsy hivavaka)
(Rendrarendra aloha vao fanompoana).
Ilaina ny tafika Masina anatiny hamerenana ao am-pon'ny Mpino fa ny fahoriana ankehitriny dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra omen'ny Tompo izay mino Azy any am-parany. Ampahatsiahivina koa ny "hoe inona moa ny soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy?"
Hafatry ny Tafika Masina faharoa/
Torio ny hoe:
"AZA AMIDY NY FINOANA".

3. AZA DISO FANAPAHAN-KEVITRA
Fahadisoana fanapahan-kevitra dia ny fivarotana ny fizokiana.
Eo amin'ny fiainantsika mpino dia misy fampitandremana tsy maintsy torina. Misy fananarana tsy maintsy hatao.
Fanapahan-kevitra tsy azo niverenana ny an'i Esao: Indray mandeha ihany ny tsodrano ho amin'ny fizokiana. (Gen 27:30-40)
Misy fanapahan-kevitra fadintsika dia ny fanombohana indray an'i Jesoa eo amin'ny hazo fijaliana.
Ity no hafatry ny tafika masina anatiny fahatelo/
Torio ny hoe:
"AZA DISO FANAPAHAN-KEVITRA".

image_pdfPDF