Lioka 5.1-11 – Mofonaina Alatsinainy 22 Jolay 2024

image_pdfPDF

HAFATRA

Lc 5:1-11 (and 11)

Fitarihana Tantaran'ny fiantsoana. Fomban'i Jesoa ny miantso olona am-perin'asa (Mosesy, Davida, Petera, Matio, Paoly...).

  1. Petera nidirany tao amin'ny Biraony (Sambo fanaratoana). Nanaiky Petera mba hatao polipitra ny toeram-piasany.
  2. Rehefa vita ny fampianarana dia nitodika manokana tamin'i Petera Jesoa mikasika ny asany ary nanolokevitra (nibaiko) dia tonga nahavokatra avo roa heny ilay fanaratoana nandamoka teo.
  3. Rehefa vita ny fanaratoana dia niantso namana Petera.
  4. Rehefa tonga ny namany dia samy nahafoy na koa hoe nandao ny haratony izy ireo ka nanaraka an'i Jesoa.

Miaraha mandeha amin'ny Tompo Andriamanitrao

1. Jesoa miara-miasa

Miditra eo amin'ny fiainanao andavanandro Izy. Miara-miasa aminao Izy. Manana hevitra mikasika izay ataonao Izy.

PTQ: Maro ny efa manao ny toeram-piasany ho polipitra (Baiboly ao amin'ny birao, Soratra Masina eo amin'ny rindrina...). Misy ny mamela ny Tenin'Andriamanitra aty am-piangonana. Avelao Jesoa hampiasa ny Biraonao (lakozia, tokantrano, dabilio, latabatra, fiara, tamboho, tsena, lalana...) dia ho hitanao ny vokany.

2. Manapaha hevitra

   21. Aza mangataka andro

Ny vokatry ny fidiran'i Jesoa an-tsehatra amin'ny fiainanao dia mahatonga anao handray fanapahan-kevitra tsy misy hatakandro hanaraka Azy.

PTQ: Mivoaka sy miditra eto amin'ny fiangonana. Mazoto mihaino fampianarana, manaiky ny toromarika omen'ny Tompo momba ny fiainany manokana mahazo vokatra tsara, nefa tsy tonga amin'ny fanapahan-kevitra.

ANTSO: Be ny fampianarana efa renao ary niara-niasa taminao ny Tompo. Nahita fahombiazana ianao. Manontany izao Soratra Masina izao inona no tohiny. Tsy maintsy manapa-kevitra ianao. Aza mangataka andro.

   22. Aza miherikerika

Fa rehefa mandray fanapahan-kevitra koa dia aza miherikerika. Aza miroroa saina. Nandao: ohatry ny milaza hoe tofoka sy leo ka miala tsy te hierika intsony.

PTQ: Tsy mahafoy ny teo aloha tsy nahitam-bokatra. Tsy mahafoy ny toerana nahombiazana.

ANTSO: Ny miara-mandeha amin'ny Tompo dia ny mandroso tsy amin-tahotra na miherikerika. Ialao ny tsy nety dia Ndao. Ihoary ny fahombiazana dia tohizo ny dia.

Fehiny

Ny vita dia vita, ny atao tsy lany. Tsy mbola tonga isika, Aza mijanona.

Miara-miasa amintsika Jesoa. Mampahavokatra ny asantsika Jesoa. Manaraha an'i Jesoa: Aza mangatak'andro ary aza miherikerika.

image_pdfPDF