Lioka 22:35-36 – Hafatra Mofonaina 15 Jolay 2024

image_pdfPDF

HAFATRA

Lioka 22:35-36

Teksta roa: Ao amin'ny bokin'i Lioka, misy fanirahana milaza ny fampiantranoana sy ny misy hohanina (Luc 9:3 sy Luc 10:4). Ny Tompo dia manova ny zavatra satria miova ny zava-misy: Hiditra amin'ny fahafatesana Izy, hiatrika ny mpianany.

Tsy Misy Lalam-be Migodana

Ny làlana iarahana amin'ny Tompo dia tsy lalana mahitsy fa miolaka:

  • Tsy lalana marina fa miakatra sy midina.
  • Jesoa sy ny mpianany miara-misakafo: Milaza ny heviny mikasika ny mpanara-dia Azy Izy, "Hapetrako ao amin'ny fanjakako." Mahafinaritra, vaovao mahafaly izany. Kanefa...

PTQ:

  • Manara-dia ny Tompo: Faly misakafo, faly manantena ny Fanjakan'Andriamanitra. Ivelan'ny zava-misy dia mihevitra hoe voafitaka.

ANTSO:

  • Efa nanomana ny Tompo: Tsy lalam-be migodana ny lalany fa lalana tery sy ety.
  • Tsy hisakafo na hihirahira hanantena ny fanjakan'Andriamanitra fotsiny fa lalana misy sarotra.
  • Tsy mora ny lalana, aza mandeha an-jambany fa jereo ny zava-misy.
  • Aza mitsambiki-mikimpy fa jereo ny lavaka ianjerana. Miomana.

Tsy Maintsy Misy Fiomanana

Fiomanana 03:

  1. Kitapom-bola
  2. Kitapom-batsy
  3. Sabatra (Fampitaovana tsy azo ialana)

Amidio ny lamba rehefa tsy manana:

  • Tsy miteny akanjo sy tehina eto ny Tompo fa sabatra.
  • Sabatra tsy handrombaham-pahefana (Luc 22:38 sy Mt 26:52) fa hevi-panahin'ny Tenin'Andriamanitra ho fiatrehana ny fizahan-toetra (Heb 4:12 sy Eph 6:17).

PTQ:

  • Aleon'ny olona tsy mitondra Baiboly toy izay tsy hiakanjo? (Tantaran'ny fanomezan'ny mpanjaka Baiboly nisy taratasim-bola)

ANTSO:

  • Handeha miaraka amin'ny Tompo isika.
  • Miomana fa miovaova ny lalany.
  • Tandremo, aza adinoina ny Tenin'Andriamanitra fa zavatra tsy maintsy ilaina izany (Vatsy: Mt 4:4; Jiro: Ps 119:105; fiarovana: Ps 119:9).

FEHINY

  • Miaraha mandeha amin'ny Tompo Andriamanitrao.
image_pdfPDF