Mofonaina Zoma 26 Jolay 2024 – Lioka 9,57-62 – FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA

Lc 9:57-62


1. NY BOKY

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

  • Toko: 24
  • Daty: 64
  • Mpanoratra: Lioka mpahay tantara, Grika, mpitsabo
  • Mampiavaka:
    • Ny fahaterahan’i Jaona mpanao Batisa
    • Ny tetiarana miantsoro mianoatra (Jesoa Kristy hatramin’i Adama)
    • Ny tantaran’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty (ny resak’i Jesoa tamin’ireo roa lahy nankany Emaosy)

1.2 Foto-kevitra Misongadina

  • 121. Jesoa Kristy tsy manavaka. Lc filazantsara atolotry ny jentilisa ho an’ny jentilisa.
  • 122. Jesoa Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina (Lc 1:35; 4:1; 4:18…).
  • 123. Jesoa Kristy olombelona (Lc 19:41: nitomany; Lc 4:1-13: noana; Lc 5:16: nivavaka).
  • 124. Jesoa Kristy tia sy magoraka (Lc 10:25-37: Samaritana tsara fanahy; Lc 15:11-32: Zanaka adala).
  • 125. Jesoa Kristy manao ho zava-dehibe ny finoana (Lc 7:1-10: Mpanompon’Ilay kapiteny).
  • 126. Jesoa Kristy manao ho zava-dehibe ny vavaka (Lc 11:1-13; Lc 18:1-8: Mpitondra tena nahery nangataka).
  • 127. Jesoa Kristy manao ho zava-dehibe ny vehivavy (Lc 8:1-3; Lc 10:38-42: Marta sy Maria).

2. FAMARITANA NY TEKSTA

Ity teksta ity dia tafiditra ao amin’ny fampianarana lava nataon’i Jesoa ary mampianatra ireo fepetra sy fanamby mifandraika amin’ny fanarahana Azy. Manomboka ny lalana farany mankany Jerosalema i Jesoa ary asehony an-tsary ny fiafaran’ny lalana miaraka aminy (Lc 9:18-27). Miresaka an-dalana i Jesoa sady tsy mitsahatra miantso olona hanaraka Azy.


3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

  • 31. Fanarahana: Ohatry ny kofehy manaraka fanjaitra no heviny.
  • 32. Fiantsoana: Fanavahana arahin’ny fiombonana.
  • 33. Fahafoizana: Fepetra apetrak’i Jesoa amin’ny mpanaraka azy izany (Tsy mifanaraka amin’ny fiantson’ny Tompo ny firaiketam-po amin’ny zavatra samihafa).
  • 34. Fahatokisana: Manaiky handeha miaraka amin’ny fepetra sy ny fanamby samihafa.
  • 35. Fomban-drazana: Mifanandrina ny nentim-paharazana sy ny fiantsoan’i Jesoa (Fiheverana manodidina ny fahafatesana sy ny fianakaviana: Jesoa manome fijery vaovao mihoatra noho ny fomba sy ny mahazatra).
  • 36. Fifidianana: Mila manao safidy hentitra rehefa hanaraka an’i Jesoa.
  • 37. Fanjakan’Andriamanitra: Laharam-pahamehana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny asa fanompoana sy ny fitoriana ny filazantsara.

4. FAMPIHARANA FITO: AOKA

  • 41. Aoka izay alehan’i Jesoa no ho diavinao (Ny fiainany no ho fiainanao). Mijoroa na amin’ny teny na amin’ny asa.
  • 42. Aoka hamaly ny antson’ny Tompo amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra.
  • 43. Aoka hahafoy ny fahatretrehana, ny zavatra tiana mba hanompo an’Andriamanitra sy hanompo ny hafa. Avelao izay rehetra manelingelina amin’ny fifandraisana amin’i Jesoa (Laharana voalohany ny Tompo).
  • 44. Aoka hatoky sy hino hatrany rehefa miara-mandeha amin’ny Tompo (Dian-tongotra tokana indraindray no hita??? Trotroiny ianao amin’ny lalana sarotra).
  • 45. Aoka ajanona ireo fombafomba mibahan-dalana anao tsy hiara-mandeha amin’i Jesoa.
  • 46. Aoka havaozina isan’andro eny am-pandehanana ny fanapahan-kevitra hiara-mandeha amin’i Jesoa.
  • 47. Aoka homen-danja ny asa fanompoana sy ny fitoriana ka ataovy laharam-pahamehana araka izay tratra amin-joto sy amim-pifaliana ireny.