Mofonaina Talata 30 Jolay 2024 – Kolosia 2:4-7

Kolosiana 2:4-7

1. NY BOKY

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

  • Toko: 4
  • Daty: 60-62
  • Mpanoratra: Paoly tany am-pifatorana
  • Antony nanoratana: Fanoherana ny fampianaran-diso izay nampifangaro ny fivavahana jiosy sy ny sampy ary ny filozofia grika, ary nitaomana ny kristianina tao Kolosia hiorina sy hametraka an'i Jesoa ho ambonin'ny zavatra rehetra.

Drafitry ny boky na (Foto-kevitra misongadina)

  • Col 1:1-14: Fiarahabana sy Fisaorana
  • Col 1:15-23: Ny fanjakan'i Kristy sy ny asa famoronana. Kristy no lohany amin'ny zavatra rehetra sady iompanan'ny zavatra rehetra.
  • Col 1:24-29: Ny endriky sy ny fototry ny fanompoan'i Paoly
  • Col 2:1-23: Fampitandremana amin'ny fampianaran-diso
  • Col 3:1-25: Fiainam-baovao ao amin'i Kristy (Ny any ambony, ny ao an-tokatrano)
  • Col 4:2-18: Hafatra sy fanaovam-beloma (Ampitao any Laodikia ity taratasy ity)

2. FAMARITANA NY TEKSTA

Ity teksta ity dia ao anatin'ny fampianaran'i Paoly mampitandrina ny amin'ireo fampianaran-diso.

3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

  • 31. Mahaiza manavaka tsara ny fampianarana tena izy (Col 2:4)
  • 32. Misy ary azo iainana amin'ny fotoana rehetra ny fiombonana (Col 2:5)
  • 33. Miainga ao amin'i Kristy ary mandeha ao amin'i Kristy (Fitomboana) (Col 2:6)
  • 34. Maniry sy mijoro (sarin'ny zava-maniry no enti-manazava) (Col 2:7)
  • 35. Mahaiza mankasitraka noho ny fahasoavana be dia be omen'Andriamanitra (Col 2:7)

4. FAMPIHARANA DIMY: AOKA

  • 41. Aoka tena handalina ny finoana marina araka ny Soratra Masina isika. Angataho ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-manivana mba hamantaranao hoe tsy izy izany.
  • 42. Aoka ho tsara ny fifandraisantsika mpino, omeo lanja ny fiombonana: Mifampivavaha na tsy mifankahita aza. (Efa nialoha ny teknolojia Andriamanitra tamin'ny nampianarany antsika hifampivavaka mba hikoloana ny fifandraisana).
  • 43. Aoka hifanitsy amin'ny fampianaran'i Jesoa Kristy hatrany ny fiainantsika. Ho tsapanao sy ho taratry ny hafa ny dingana vitanao isan'andro miaraka amin'i Jesoa Kristy.
  • 44. Aoka hifandray sy hifamatotra lalina amin'i Jesoa Kristy isika ao amin'ny Soratra Masina sy ny vavaka ary dia ho tafatoetra eo an-tanimbolin'ny Tompo koa (ny Fiangonana).
  • 45. Aoka ho velona ao amin'ny fiainana kristianina ny fahaiza-mankasitraka an'Andriamanitra ka tsy amin'ny vavaka tononina ihany fa amin'ny fanompoam-pivavahana sy ny fanompoana samihafa.