Mofonaina Talata 09 Jolay 2024 – Marka 6,7-13

1. NY BOKY:

  • Efa voaresaka tany aloha .

2. FAMARITANA NY TEKSTA:

  • Ny eo aloha dia Jesoa tao Nazareta sy ny fandavana Azy (Marc 6,1-6).
  • Ny aoriana dia ny Namonoana an’i Jaona Mpanao Batisa (Marc 6,14-29).
  • Anatin’ny fotoam-panofanana ny mpianatra ny Tompo, ity no fanirahana voalohany taorin’ny fanendrena (Marc 3,13;14).

3. IREO VOAMBOLANA MANAN-DANJA:

21. Niantso:

  • Manasa, "Fiarahana na fiombonana aina" Rom 1.7, Rom 8.30.

22. Naniraka / Apostello:

  • Apo: Fiaingana.
  • Stello: Fanomanana, fampitaovana, fanirahana.
  • Mandefa lavitra: maniraka hiala na handeha.

23. Tsiroaroa (roa):

  • Vavolombelona (Deu 19.15): Ny tany sy ny lanitra (Deu 30,19), Jaona sy Maria (JK) sns.
  • Tsy an’olontokana ny fitoriana ny Filazantsara.

24. Fahefana:

  • "Exousia": Vaika na hery.
  • Fahefana apetraky ny lalàna: avy ivelany fa tsy avy ao anaty. Tsy ny hery na finiavanao.

25. Tehina:

  • Fandrefesana sy fitaovana handehanana: Sarin’ny Tenin’Andriamanitra.

26. Kapa:

  • Fanehoana fahavononana sy fahavitan’ny fiomanana, fiondrehana koa (Ex 3.5 + Deu 29.5 + Eph 6.15).

27. Akanjo roa:

  • Aza manao fitan-droa (Toetra roa).

28. Fibebahana:

  • Fiovam-po sy fiainana lalina: Fiaiken-keloka sy fangataham-pamelana ary fiovana.
  • "Metanoia": Olona mahazo tsara ny momba azy ary maneho fahavononana hiova lalana (Ny Tsindretsa sy angidina).

29. Vavolombelona / Martiora:

  • Mpanamarina.

30. Diloilo

FAMPIHARANA FITO : M.I.T.O.R.I.A

1. Mandehana : Tsarovy fa voalohan’asan’ny Fiangonana ny fitoriana ny Filazantsara (Marc 6. 7).

2. Itokio ny Tompo : Amaivano ny tenanao (Marc 6. 8-9): Miankina amin’Andriamanitra ny fahombiazanao.

3. Tena hisy trano hivantanana ianao : Aza misalasala miantrano aman’olona (Marc 6. 10).

4. Olona manan-tsafidy isika : Aza kivy amin’ny fandavan’ny olona. Mety hisy izany. Ny mitory no anjaran’ny Fiangonana (Marc 6. 11,12).

5. Rehefa nibebaka ianao dia ampibebaho ny hafa : (Mar 6. 12).

6. Imasoy ny maha olona : Vatana, Saina, Fanahy, Fihetseham-po (Marc 6. 13).

7. Aza misalasala intsony : Miaraha mitory, mandehana tsiroaroa (Marc 6. 7,12).