MOFONAINA 29 OKTOBRA 2024 – Romana 12:1-2

image_pdfPDF

FANDAHARANA:

  • F iantsoana sy Fiderana : Salamo 119:57-64
  • Hira: 18/1.2.3 (FFPM)
  • Vavaka
  • Hira: 480/3
  • Soratra Masina: Romana 12:1-2
  • Hira: 619/2
  • FMSM
  • Vavaka
  • Hira: 446/1
  • Tsodrano

Romana 12:1-2

1 - NY BOKY

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

1.2 Fanampiny

1.3 Drafitry ny boky


2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

2.1 Famaritana ny Teksta
Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza ny fampiharana. Ny fampiharana ny fiainana kristianina dia manomboka amin’ny fanoloran-tena feno sy ny foto-pisainana manaiky hiova.

Tari-dalana Famakafakana ara-Baiboly:

  • Romana 12:1: Deo 6:5; Deo 12:13; Lev 20:7-8; Sal 51:17; Mat 16:24; Mar 12:33; Lio 9:23; Jao 15:13; 1 Kor 6:19-20; Fil 1:20
  • Romana 12:2: Lev 11:44a; Lev 20:26; Sal 119:11; Isa 55:8-9; Mat 5:8; Mat 6:24; Efe 4:23-24; Kol 3:2; 1 Jao 2:15-16

2.2 Voambolana

  • Fanatitra velona (Rom 12:1): "Thysia zosa" — Milaza fanolorana ho an’Andriamanitra ary mikendry fahamasinana sy fihavanana. Velona na manana aina izany hoe tsy maty na vonoina toy ny nentim-paharazana fa velona sy miaina: Ny fiainana manontolo no fanatitra (vavaka fanolorana).
  • Marina (Rom 12:2): "Agathos" — tsara, marina, mahafa-po araka an’Andriamanitra.

3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

3.1 Ny famindram-pon’Andriamanitra izay vokatry ny fahasoavany no ahazoantsika manolo-tena.
3.2 Ny fahavelomana manontolo ny fanoloran-tena.
3.3 Ny fanompoana dia ara-panahy, miainga any anaty hitan’Andriamanitra vao tazan’ny olona.
3.4 Ny fomban’izao tontolo izao dia tsy hahasarika ny mpino.
3.5 Ny fiainana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny famantarana ny sitrapon’Andriamanitra dia mifamatotra.


4 - FAMPIHARANA: AOKA

4.1 Aoka hisaotra ny Tompo isika satria tsy afaka nanolotena ho azy raha tsy noho ny famindrampony.
4.2 Aoka ho fanompoana ny fiainantsika (teny sy asa).
4.3 Aoka tsy ho fisehoana ivelany na ho fombafomba mahazatra ny fanompoana ataontsika (fanompoam-panahy).
4.4 Aoka harovantsika ny soatoavina Kristiana (Fantaro ny rivotra mitsoka ary tohero izay tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra).
4.5 Aoka halalinina ao anatin’ny fiainam-bavaka ny Soratra Masina mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra.

image_pdfPDF