MOFONAINA 27 SEPTAMBRA 2024 – Eksodosy 4:27-31

MOFONAINA 27 SEPTAMBRA 2024

Ex 4:27-31

1- NY BOKY

11- Fandraisan’anjaran’ny tsirairay
(Toko 40, nosoratana 1490 talohan’i Kristy, izay mitantara ny nitranga tamin’ny 1635-1490 BC)
Milaza andininy tadidinao.

12- Fanampiny
(Jereo ny FMSM 02.07.24)

13- Drafitry ny boky

  1. (1-4) : Ny fahaterahana sy ny fiantsoana an’i Mosesy
  2. (5-11) : Ny fihaonana tamin’i Farao sy ny loza folo
  3. (12-15) : Ny Paska sy ny fanafahana
  4. (16-18) : Ny dia mankany Sinay sy ny fahagagana tany an’efitra (800 km)
  5. (19-24) : Ny fanekena sy ny lalàna
  6. (25-40) : Fanorenana ny tabernakely sy ny fitsipika momba ny fanompoana

2- FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21- Famaritana ny teksta
Araka izany, ny teksta manoloana antsika dia ao amin’ny fizarana milaza ny fiantsoana an’i Mosesy. Manambara indrindra ny santatry ny asa fanompoany, dia ny fiatrehana ny vahoakan’Andriamanitra: fanomezana toky sy fanantenana.

22- RAKIBOLANA 221- Famantarana
(Ex 4:28,30) : « Oth » midika hoe famantarana na marika. Ampiasaina mba hanehoana ny fisian’Andriamanitra amin’ny fomba hita maso amin’ny alalan’ny asa mivaingana. Ireny famantarana ireny dia tonga mampiorina bebe kokoa ny finoan’ny olona.

222- Nino
(Ex 4:31) : « He’emin < Aman » midika hoe matoky na manana finoana, saiky miaraka mandrakariva amin’ny filazana ny fatokiana an’Andriamanitra. Finoana matanjaka sy fatokiana lalina ny Tenin’Andriamanitra.

3- IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

31- Andriamanitra dia manatanteraka ny drafitr’asany amin’ny alalan’ny fiantsoana olona hiara-hiasa aminy (Mosesy sy Arona) sy olona hiara hiasa koa.
32- Andriamanitra dia tsy mamela ho irery ny olona nantsoiny: ny anjaranao dia ny matoky (Ex 4:27).
33- Ny Tenin’Andriamanitra dia mahery ka mampandroso ny finoana (Ex 4:31).
34- Ny finoana dia miteraka fanetren-tena sy fankatoavana ombam-panajana an’Andriamanitra (Ex 4:31).
35- Manara-maso ny fiainan’ny vahoakany Andriamanitra (Ex 4:31).

4- FAMPIHARANA

41- Aoka hatoky isika fa manana drafitra ho famonjena antsika Andriamanitra ary mampiasa olona hahatanteraka izany Izy.
42- Aoka hifantoka amin’ny fahafenoan’ny herin’Andriamanitra ianao rehefa miatrika asa sarotra ka mahatsiaro fa kely ny herinao. Mangataha fitarihana sy hery avy Aminy.
43- Aoka hanao ho zava-dehibe ny fiaraha-miasa isika: aza manilika ny hafa ary aza mihataka amin’ny mpiara-manompo. Manàna toe-tsain’ny mpanao fanatanjahan-tena.
44- Aoka ho raisintsika amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izay ambara amintsika (Ex 4:31).
45- Aoka ho fantatrao fa mitsinjo anao ny Tompo ary ny famonjena dia tonga araka ny fotoanan’Andriamanitra (Ex 12:40 milaza fa 400 taona no nanandevozana ny vahoakan’Andriamanitra tany Egypta).