FANDAHARANA :
- Fiantsoana sy Fiderana : Salamo 119:1-8
- Hira: 471/1.3
- Vavaka
- Hira HF6/2
- Soratra Masina: Romana 1:8-12
- Hira HF4/3
- Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
- Vavaka
- Hira HF1/1
- Tsodrano
Romana 1:8-12
1 - NY BOKY
1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay
1.2 Fanampiny
Paoly no nanoratra. Tsy fantatra izay namaky lay tamin’ny fitoriana tany Roma.
- Taona nanoratana: 57-60 T.K.
- Toerana nanoratana: Tao Korinto, ary nanam-pikasana ho any Roma izy (Romana 1:9-10; Romana 15:23-24).
- Tao Roma no maty martiora Paoly ny taona 68 T.K. (37 T.K. izy no niova fo).
Toy ireo epistily hitantsika, ny boky dia mivohy ny fotokevitra hoe "Ny famonjena dia fahasoavana avy amin’Andriamanitra fa tsy vokatry ny asantsika olombelona." Fototry ny fanitsiam-pivavahana protestanta ny bokin’ny Romana.
Tena maro ny andininy fiainantsika Kristiana ato amin’ity Boky ity.
Ireo teny fanevan’ny taom-piasana FJKM:
- Romana 8:28 (2)
- Romana 15:18 (5)
- Romana 1:17b (16)
- Romana 8:24a (17)
1.3 Drafitry ny boky
- 131- Ny mpanota ny olona rehetra ka mila famonjena (1-3)
- 132- Ny finoana no lalana ho amin’ny famonjena (4-5)
- 133- Ny fiainam-baovao omena ny mpino (6-8)
- 134- Ny fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy ny famonjena ny firenena rehetra (9-11)
- 135- Toromarika samihafa momba ny fampiharana ireo fampianarana (12-16)
2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
2.1 Famaritana ny Teksta
Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza fa mpanota ny olona rehetra ka mila famonjena ary tafiditra indrindra ao amin’ny teny fiarahabana sy ny antony lehibe amin’ny Epistily.
2.2 Voambolana
- Misaotra (Romana 1:8): "eucharisteo" — Midera no tena heviny: tsy fankasitrahana fotsiny fa fankafizana (fanomezam-boninahitra) koa.
- Fahasoavam-panahy (Romana 1:11): "charisma" — Fanomezam-pahasoavana.
3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA
3.1 Kristy no mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra (Rom 1:8).
3.2 Ny fiainana ny filazantsaran’i Kristy (Rom 1:9).
3.3 Ny finoanao matanjaka dia maneho ny voninahitr’Andriamanitra sady fitaratra ho an’ny hafa (Rom 1:8).
3.4 Ny fifampaherezana dia fiainan’ny Fiangonana (Rom 1:11-12).
3.5 Ny fifankatiavan’ny mpino Kristiana (fiombonan’ny olona masina) (Rom 1:9-10).
4 - FAMPIHARANA: AOKA
4.1 Aoka tsy ho adinoina ny manao ny vavaka amin’ny anaran’i Jesoa sy ny manao zavatra amin’ny anaran’i Jesoa (1 Timoty 2:5).
4.2 Aoka hazoto handini-tena isika ny amin’ny fiainantsika marina ny Filazantsara izay noraisintsika. Asehoy amin’ny fiainantsika mandrakariva ny fahamarinan’ny filazantsara niainantsika.
4.3 Aoka hametraka fanamby isika hanao ny asantsika ho fanehoana ny finoana ao anatintsika mba hankalazan’ny hafa an’Andriamanitra.
4.4 Aoka ho hita eo amin’ny Fiangonana fa tena toeran’ny fifampizarana sy ny fifampaherezana ny Fiangonana.
4.5 Aoka ho toerana itarafana firaisan-kina sy fifankatiavana ny Fiangonana.