MOFONAINA 22 OKTOBRA 2024 – Efesiana 4:17-24

image_pdfPDF


Talata 22 Oktobra 2024

FANDAHARANA:

  • Fiantsoana sy Fiderana : Salamo 119:9-16
  • Hira: 42/1.6.7 (feon-kira: 7ffpm)
  • Vavaka
  • Hira: 207/2
  • Soratra Masina: Efesiana 4:17-24
  • Hira: 470/1.4
  • Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
  • Vavaka
  • Hira: 465/3
  • Tsodrano

1 - NY BOKY

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

1.2 Fanampiny
Indreto misy lohahevitra vitsivitsy misongadina ao amin’ny boky:
121- Ny famonjena vitan’i Kristy no mampiray ny mino (Efesiana 1:22-23).
122- Ny famonjena vitan’i Kristy no mamonjy fa tsy ny asantsika (Efesiana 2:8-9).
123- Ny famonjena vitan’i Kristy dia miteraka toetra vaovao (Efesiana 4:22-24).
124- Ny famonjena vitan’i Kristy dia mampijoro antsika ho miaramila (Efesiana 6:10-18).

Ny bokin’ny Efesiana dia azo raisina ho fampianarana ny fitondran-tena Kristiana, ny fiombonan’ny mino, ny fifidianan’Andriamanitra, ary ny fampiraisany ny Jiosy sy ny jentilisa.

Ny fampianarany momba an’i Kristy dia ireto: Mpamonjy, Mpiaro, Lohan’ny Fiangonana.
Ny fampianarany momba ny Fiangonana dia ireto: Tena iray; masina, firenena iray ao amin’i Kristy.
Ny fampianarany momba ny famonjena dia ny hoe: Fahasoavana avy amin’Andriamanitra (tao amin’i Jesoa Kristy) no namonjena, fa tsy amin’ny asan’olombelona.

1.3 Drafitry ny boky

  • 131- Ny fampianarana teolojia (1-3)
  • 132- Ny fitaomana ho amin’ny fampiharana (4-6)

2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

2.1 Famaritana ny Teksta
Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana mirakitra ny fampiharana ka miantso indrindra ny olom-boavonjy hiaina ny famonjen’i Kristy mitondra fihavaozana eo amin’ny fiainany manontolo.

2.2 Voambolana

  • Maizin-tsaina (Efesiana 4:18): "eskotomeno i te dianoisontes" — itoeran’ny aizina ny sainy, izany dia milaza ny tsy fahalalana an’Andriamanitra sy ny faharatsiana mifandraika amin’izany ary ny vokatr’ireny faharatsiana ireny.
  • Toetra vaovao: "Kainos anthropos" — Kainos dia milaza zavatra vaovao tsy mbola nisy mihitsy, ary "anthropos" dia manondro ny olona amin’ny ankapobeny. Olom-baovao koa no azo andikana ny hoe toetra vaovao eto.

3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

3.1 Ny fiainana tsy misy an’i Kristy dia fahaverezana amin’ny lafiny rehetra; firotsahana an-tsehatra amin’ny ota. Fiainana tsy misy dikany.
3.2 Ny fahafantarana sy ny fandraisana an’i Kristy no tena fototry ny fiovam-po sy ny fiainam-baovao (Efesiana 4:20-21).
3.3 Ny fihavaozana ara-panahy dia mitaky finiavana hihavao: fanapahan-kevitra sy fanaovana (Efesiana 4:22-23). Tsy indray mihelatra fa mitohy sady fiainana.
3.4 Ny fiovana dia tsy fialana amin’ny teo aloha fotsiny fa fandraisana ny vaovao koa (Efesiana 4:22-24).
3.5 Ny olom-boavonjy dia voaantso ho amin’ny fahamasinana (Efesiana 4:24).


4 - FAMPIHARANA: AOKA

4.1 Aoka ho adinoina tanteraka ny fahantrana ara-panahy niainanao taloha (fanotorana).
4.2 Aoka hazoto handray ny fampianarana momba an’i Kristy isika ka hihavao mandrakariva.
4.3 Aoka hanao tomban’ezaka ny amin’ny fitomboana ara-panahy isika (2 Korintiana 4:16).
4.4 Aoka hahavatra hametraka tanjon’ny toetra vaovao hatrany isika. Manaova fanamby masina amin’ny hanesorana ny teo aloha tsy mety ary handraisana ny vaovao ankasitrahan’i Jesoa.
4.5 Aoka hatomboka eo amin’ny tenantsika ny fanehoana ny fahamasinana, taomy ho amin’ny fahamasinana ny mpino manodidina antsika.

image_pdfPDF