MOFONAINA 19 NOVAMBRA 2024 – 1 Tim 4:11-16

image_pdfPDF

Talata 19 Novambra 2024

 

FANDAHARANA

  1. Fiantsoana sy Fiderana
    • Soratra: Salamo 119:97-104
    • Hira: 9 - Ry Tompo Zanaharinay
    • Vavaka
  2. Hira: 177 (and. 2 sy 4) - Ry Fanahy Mpanazava...
  3. Soratra Masina: 1 Timoty 4:11-16
  4. Hira: 761 (and. 1) - Ry Jesoa Zoky Be Fitia...
  5. Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
  6. Vavaka
  7. Hira: 427 (and. 1) - Ho Vavolombelonao...
  8. Tsodrano

 

FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA

1 Tim 4:11-16


1. NY BOKY

11. Fandraisan’anjaran’ny tsirairay :
12. Fanampiny
13. Drafitry ny boky


2. FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA


3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

31. Manomeza toromarika mazava sy matotra ary aza mitsahatra mampianatra na dia misy aza ny manohitra

  • Fanontaniana: Ahoana no fomba entintsika mampianatra na manome toromarika ny hafa eo amin’ny fiainantsika?
  • Fanazavana:
    • Ampianaro (« didaske »): Mampianatra mazava sy amin’ny faharetana.

32. Tsy taona no mamaritra ny maha-Kristiana matotra fa ny fomba fiaina sy ny toetra

  • Fanoharana: Ny jiro, na dia kely aza, mahavita manazava efitrano manontolo.
  • Fanontaniana: Manao ahoana ny fijoroanao ho ohatra amin’ny finoana, ny fitiavana, ny fahamasinana, ny fahadiovam-po ary ny teny lazaina?
  • Fanazavana:
    • Fianarana (« tupos »): Modely harahina, ohatra mazava.
    • Fiteny (« logoi »): Teny sy ny hevitra fonosiny.
    • Fitiavana (« agape »): Fanoloran-tena ho an’ny hafa.
    • Manao tsinontsinona (« kataphroneito »): Manambanimbany na manao tsinontsinona.

33. Ny famakiana sy fianarana ny Soratra Masina no loharanon’ny fitomboana ara-panahy

  • Fanontaniana: Hafirina amin’ny 24 ora no atokanao handinihana ny Soratra Masina?
  • Fanazavana:
    • Tandremo (« proseke »): Ataovy lahasa, aoka ho malina.
    • Famakian-teny (« anagnosis »): Famakian-teny imasom-bahoaka (Asa 13:15).
    • Fananarana (« paraklesis »): Fampaherezana, famporisihana, fananarana avy amin’ny Fanahy Masina.

34. Ampiasao ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra anao

  • Fanoharana: Ny angovo miafina ao amin’ny vatan’aratra dia toy ny tsy misy raha tsy ampiasaina.
  • Fanontaniana: Fantaro eo anatrehan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana nomeny anao.
  • Fanazavana:
    • Aza tsy mitandrina (« amelei »): Aza adinoina, omeo lanja, aza tsy miraharaha.

35. Ny zotom-ponao sy ny faharetanao dia haneho ny fandrosoantsika eo anatrehan’ny olona

  • Fanontaniana: Efa tsapanao ve ny fandrosoanao ara-panahy amin’ny fotoana toy izao sy ny fanompoana samihafa?
  • Fanazavana:
    • Hiseho (« fanera »): Vakina fotsiny, voavaky eo amin’ny fiainanao ve fa mandroso ianao?

36. Ny fitandreman-tena hiaina mifanaraka amin’izay hampianarina

  • Fanontaniana: Manao ahoana ny fitandremanao mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava?
  • Fanoharana: Tsy mpiantso mpandeha fotsiny ianao fa isan’ny mpandeha koa, tsy mpanera taxi-brousse.
  • Fanazavana:
    • Tandremo (« epecho »): Diniho akaiky, ezaho ary asio tanjona ny fampianaranao (Fil 3:13).
image_pdfPDF