Mofonaina 17 Septambra 2024 – 2 Korintiana 4:12-15

2 Co 4:12-15

1 - Ny Boky

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay:

  • Toko 13, Taona: 58 T.K.
  • Andininy tadidinao: 2 Co 5:17; 2 Co 4:8; 2 Co 5:1...

1.2 Fanampiny:

  • Ity epistily ity dia voasoratra raha mbola tsy nigadra Paoly (miaraka amin'ny 1 Tesalonianina, 2 Tesalonianina, 1 Korintiana, Galatianina, sy Romanina).
  • Tany Makedonia no toerana nanoratana ny epistily (2 Co 9:4).
  • Raha heverina fa tamin’ny taona 37 T.K. no niovan’i Paoly ho Kristiana, dia 21 taona taty aoriana vao nosoratany ity epistily ity, izany hoe olona efa anti-panahy no manoratra.
  • Ity epistily ity dia valin-kafatry ny fandraisan’ny Korintianina ny taratasy voalohany izay tena nahery (2 Co 7:6-10).
  • Misongadina ato ny fiarovan’i Paoly ny maha-apostoly azy (2 Co 10-13).
  • Miresaka betsaka ny amin’ny voninahitr’Andriamanitra ny epistily, ary tsy voninahitra ho avy fotsiny, fa izay azo jerena ankehitriny ety an-tany feno fahoriana.
  • Misongadina ato koa ny fampianarana ny amin’ny fanolorana (2 Co 8 sy 2 Co 9).

Drafitry ny Boky:

  • 2 Korintiana 1-5: Ny herintsika mpino an’i Jesoa
  • 2 Korintiana 6-9: Ny fitondran-tena Kristianina
  • 2 Korintiana 10-13: Ny amin’ny maha-apostoly an’i Paoly

2 - Famaritana ny Teksta

Ao amin’ny fizarana milaza ny herintsika mpino no misy ny anjara mofon’ainantsika. Ny 2 Co 4:12-15 dia ao anatin’ny toko fahefatra, izay mampisongadina ny harena miafin’ny mpino ao anatin’ny fahalemeny: rakitra anaty vilany tany 2 Co 4:7).

NB:

  • "Fahafatesana" eto dia ny fahafatesan’ny vatana (Thanatos) (Jn 11:4).
  • "Fiainana" (Zoe) eto dia midika fiainana vaovao (Rom 6:4).

3 - Ireo Hevitra Manan-danja Azo Avoaka avy amin'ny Teksta

3.1 Ny Mpino dia mijoro ho vavolombelona na dia mety ho vidiny lafo aza ny vokatr’izany (2 Co 4:13).
3.2 Ny Mpino rehetra no atsangana miaraka amin’i Kristy (2 Co 4:14).
3.3 Ny Mpino velon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia mampitombo ny fisaorana an'Andriamanitra (2 Co 4:15).
3.4 Ny Mpino mahafoy tena dia tonga fahavelomana ho an’ny hafa (2 Co 4:12).
3.5 Ny Mpino dia manana fanantenana tsy azo hozongozonina (2 Co 4:14).
3.6 Ny Mpino dia ampiombonina amin’ny fanantenana iray (2 Co 4:14).


4 - Fampiharana: Aoka

4.1 Aoka hanana fahasahiana hijoro ho vavolombelona mandrakariva isika.
4.2 Aoka hatoky ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty isika.
4.3 Aoka ho feno fankasitrahana an'Andriamanitra isika noho ny fahasoavana ivelomantsika sy ny namantsika isan’andro.
4.4 Aoka ho fantatsika fa ny fahafoizan-tenantsika amin’ny fanompoana dia fahavelomana ho an’ny hafa.
4.5 Aoka hiseho eo amin’ny fiangonana fa mitovy tanjona banjinina isika, sady iray fanantenana ka mafy amin’ny fiombonana.