MOFONAINA 15 OKTOBRA 2024 – Jaona 9:24-34

image_pdfPDF

Mofonaina Talata 15 Oktobra 2024

FANDAHARANA

  • Fiantsoana sy Fiderana, Sal 119:17-24 + Hira 3 (FFPM) + Vavaka
  • Hira 242/3,5 + Soratra Masina : Jaona 9:24-34 + Hira 426/2
  • Fiaraha-mandinika Soratra Masina + Vavaka +
  • Hira 543/3 + Tsodrano

Jaona 9:24-34

1. NY BOKY

11. Fandraisan’anjaran’ny tsirairairay

Toko faha-21, nosoratana tamin’ny taona 80-110 AD. Jaona (Jaona 21:24) no mpanoratra, ary tany Efesosy no nanoratany.

12. Fanampiny

Ny boky dia nosoratana mazava tsara mba hinoana fa Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra, ary ny finoana Azy no hananana fiainana (Jaona 20:31).
Ireto misy andininy tokony ho tadidy sy iainana: Jaona 1:12, Jaona 3:16, Jaona 8:12, Jaona 10:10, Jaona 14:6, Jaona 15:5, Jaona 16:33, Jaona 20:21, Jaona 21:22, Jaona 21:25.

Ankoatr’ireo, dia ao amin’ity boky ity no misy ny fanambaran-tenan’i Jesoa Kristy, «Izaho no...»

  • Mofon’aina (Jaona 6:48)
  • Fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8:12)
  • Vavahady (Jaona 10:9)
  • Mpiandry tsara (Jaona 10:11)
  • Fananganana ny maty sy fiainana (Jaona 11:25)
  • Lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14:6)
  • Voaloboka (Jaona 15:5).

Ny boky dia mampivoitra ny fotokevitra hoe ao amin’ny fahoriana lalina indrindra no miseho ny voninahitr’Andriamanitra.

13. Drafitry ny boky

  • 131. Ny Maha Andriamanitra an’i Jesoa (Jaona 1.1-18)
  • 132. Ny fahagagana sy ny famantarana (2-12)
  • 133. Ny didim-pananana navelan’i Jesoa (13-17)
  • 134. Ny Herinandro Masina: Fijaliana sy fandresena (18-21)

2. FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21. Famaritana ny Teksta

Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana mirakitra ny fahagagana nataon’i Jesoa. Fitantarana manokana ato amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona.

22. Rakibolana

  • Mpanota ("hamartolos"): Avy amin’ny matoanteny hoe "hamartano", tsy mahatratra ny fenitra, mamita-tena, manao fahadisoana.
  • Mivavaka aminy ("Theosebes"): Izay manaja an’Andriamanitra. Fanekena fahefana sy fahatokiana lalina.

3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

  1. Ny fahitana ara-panahy dia tsy miankina amin’ny fahalalana teolojika, fa ho an’izay manaiky ny asan’Andriamanitra (Jaona 9:24-25).
  2. Ny fanavaozana entin’i Jesoa dia ara-batana sy ara-panahy: niharatra ara-batana ilay jamba ary tonga tamin’ny finoana.
  3. Ny finoana miorina dia vokatry ny fiainana ny famonjena nataon’i Jesoa (Jaona 9:25-27).
  4. Ny asam-pamonjena dia tsy miorina amin’ny lalàna fa amin’ny fitiavana.
  5. Ny mpino dia mety iharan’ny fanenjehana, fa mahasoa sy mampiorina izany.

4. FAMPIHARANA

  1. Aoka hitombo fahalalana isika, saingy tandremo sao jamban’ny fandalinana ka tsy mahita ny asan’Andriamanitra.
  2. Aoka hataontsika ho zava-dehibe ny fahatokiana ny asam-pamonjen’i Jesoa amin’ny fiainantsika andavanandro.
  3. Aoka hanana fahasahiana hizara ny traikefa-pinoana niainanao amin’ny hafa ianao, indrindra amin’ireo tsy mpino.
  4. Aoka hisafidy hifandray amin’i Jesoa amin’ny fitiavana feno isika fa tsy amin’ny fanajana ny fombafomba.
  5. Aoka hijoro hatrany isika, na dia eo amin’ny toerana sarotra aza, haneho ny Fahamarinana araka an’i Jesoa izay iainantsika.
image_pdfPDF