MOFONAINA 11 OKTOBRA 2024 – Lioka 5:33-38

image_pdfPDF

Zoma 11 Oktobra 2024 - Lioka 5:33-39

FANDAHARANA

Fiantsoana sy Fiderana Sal 119,25-32 +Hira 7 (ffpm) +Vavaka

Hira 268 :1.3 +Soratra Masina  : Lioka 5,33-39 + Hira 186/1.5

Fiaraha-mandinika Soratra Masina +Vavaka

Hira 545 :1 + Tsodrano

 

Fiaraha-mandinika Soratra Masina

Lioka 5:33-39


1. NY BOKY

11- Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

Toko 24, nosoratana tamin'ny taona 70-93 AD. Lioka, hany jentilisa manoratra ao amin’ny baiboly, dia dokotera grika sady mpahay tantara.
Ireo andininy tadidinao ao amin’ity boky ity.

12- Fanampiny

Ny boky dia mitodika indrindra amin’ny Jentilisa.
Ireto misy andininy tokony ho tadidy sy iainana: Lio 6:31, Lio 1;37, Lio 6:36, Lio 9:23, Lio 18:27, Lio 19:10.

13- Drafitry ny boky

Araka ny filazan’ny mpanoratra dia nambarany mifanaraka tsara ny tantara momba an’i Jesoa (Lioka 1:3). Na izany aza dia ataony ho zava-dehibe ny fitantarana ny fahaterahan’i Jesoa vao manaraka ny tetiarana (Lioka 3:23-27).
Misongadina ireto fizarana ireto:

    • 131. Ny fahaterahana sy fiomanana amin’ny asa (toko 1-4)
    • 132. Ny fanompoany tao Galilia (toko 5-9)
    • 133. Ny diany ho any Jerosalema (toko 10-19a)
    • 134. Ny herinandro Masina (toko 19b-24)

2. FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21- Famaritana ny teksta

Araka izany, ity teksta ity dia ao anatin’ny fanombohan’i Jesoa ny asany tao Galilia. Eo aloha eo i Jesoa dia miresaka amin’ny fariseo sy ny mpanora-dalana ny amin’ny fiarahany amin’ny mpanota.
Ny resaka momba ny fifadian-kanina sy ny fanampim-panazavana amin’ny alalan’ny fanoharana hampitaina hevitra hoe: tena tsy afaka miaraka ny taloha sy ny vaovao. Tsara foana ny taloha ka sarotra ny hanaiky ny vaovao. Tena toetra maha olona izany.

22- Rakibolana

221. Mpampakatra «Numphios»: Ny lehilahy ao amin’ny fanorenam-panambadiana. Voambolana tena fampiasa ao amin’ny Testamenta Vaovao indrindra ao amin’ny Filazantsara Synoptika, anondroana indrindra an’i Jesoa eo anatrehan’ny Fiangonana.
222. Divay vaovao «Neos Oinos»: Vaovao/divay: manondro divay tsy mbola niotrika ary marikivy, tsy mbola tanteraka amin’ny fahamasahana. Eto amin’ity teksta ity dia ilazana ny fampianaran’i Jesoa ho «divay vaovao». Ny divay dia famantarana ny fifaliana amin’ny fiaraha-monina Jiosy.


3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

  • 31. Ny fisian’i Jesoa eo anivon’ny Fiangonana no fifaliana (Lio 6:34)
  • 32. Ny fanavaozana entin’i Jesoa amin’ny alalan’ny fahasoavana («Miantso ny mpanota») dia tsy azo afangaro amin’ny lalàna (Lio 6:36-38)
  • 33. Ny fanompoana an’Andriamanitra dia tsy fehezin’ny fombafomba. Ny fifaliam-pamonjena no tena zavatra (Lio 6:34-35)
  • 34. Ny fahavononana hihavao na handray ny fanavaozan’i Kristy no andrasana amintsika (Lio 6:39)
  • 35. Ny fiombonana aina amin’i Jesoa no tena fiainana fa tsy ny fifadian-kanina no atao fototra

4. FAMPIHARANA: AOKA

  • 41. Aoka hitombo hatrany ny fifandraisanao amin’i Kristy mba ho feno fifaliana ny fiainanao.
  • 42. Aoka ho haintsika tsara ny manavaka ny teo aloha tokony havela sy ny zava-baovao manodoka ary ny tena fanavaozana entin’i Jesoa.
  • 43. Aoka ho voamariky ny fiainana vaovao ao amin’i Kristy ny fiainantsika manontolo fa tsy hijanona amin’ny fombafombam-pivavahana fotsiny.
  • 44. Aoka asehontsika amin’ny fotoana rehetra fa olon’ny fanavaozana ary tia fanavaozana isika. (Tandremo anefa sao tsy araka ny Sitrapon’Andriamanitra ny fihavaozana.)
  • 45. Aoka ho tsapantsika ao amin’ireo fombafombam-pivavahana tanterahintsika fa tena tafaombona amin’i Kristy isika.
image_pdfPDF