Mofonaina 10 Septambra 2024 – 1 Jao 5:4-5

Mofonaina 10 Septambra 2024

1 Jn 5.4-5

1 - Ny Boky

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay:

  • Toko? Ny andininy tadidy? Taona: 80-110 T.K.

1.2 Fanampiny:

  • Mariho ny andininy voalohany sy ny andininy farany ampitahaina amin’ireo roa hafa.
  • Mpanoratra dia Jaona Apostoly: raiamandreny feno fitiavana sy entitra (miverina matetika ny hoe "Anaka" sy ny hoe "Ry malala", ary manamarika azy ny fitodihany amin’ny sokajin’olona rehetra ao amin’ny Toko faha-2).
  • Nanoratana dia ny fiangonana rehetra amin’ny toerana tsy voafetra sy ny fotoana tsy misy famaritana.
  • Misy antony no nanoratana: ianohan’ny hoe "mba" (1 Jn 1.4 sy 1 Jn 5.13).
  • Hevitra telo misongadina:
    • Fahazavana
    • Fitiavana
    • Fiainana

    Ankoatra ireo dia lehibe ny fampianarana mikasika ny firaisana amin’i Kristy sy ny firaisan’ny fiangonana.

  • Fiainana mandrakizay isitrahana dieny ety an-tany (1 Jn 5.11-12).

Drafitry ny Boky:

  1. 1 Jn 1.1-4: Fampidirana - Maneho ny tanjon’ny epistily "Jesoa no loharanon’ny fiainana sy fahatanterahana".
  2. 1 Jn 1.5-2.37: Fiainana ao amin’ny mazava.
  3. 1 Jn 2.18-29: Ny anti-Kristy.
  4. 1 Jn 3.1-24: Ny zanak’Andriamanitra marina.
  5. 1 Jn 4.1-6: Ny marina sy ny fiviliana.
  6. 1 Jn 4.7-21: Ny fitiavana marina.
  7. 1 Jn 5.1-21: Ny finoana mandresy sy famerenana ireo foto-kevitra teo aloha (Ny Finoana sy ny Fiainana mandrakizay).

2 - Famaritana ny Teksta

Ao amin’ny fizarana farany no misy ny anjara mofon’ainantsika. Ny 1 Jn 5.1-12 indrindra no milaza ny finoana mitondra antsika ho amin’ny fandresena izao tontolo izao.

NB: Ny hevitry ny hoe "izao tontolo izao" (KOSMOS) dia ilazana rafitra sy fandaminana. Misy dikany maro izy araka ny zava-misy manodidina ny teksta. Eto, ny heviny dia milaza rafitra voazanaky ny fahotana sy ny fanoherana an’Andriamanitra (rafitra matanjaka sy mahery).


3 - Ireo Hevitra Manan-danja Azo Avoaka avy amin'ny Teksta

3.1 Fanamafisana ny fahaterahana indray (Jn 1.12).
3.2 Finoana no loharanon’ny fandresena (fandravana ilay rafitra matanjaka).
3.3 Ny fanekena ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa no miteraka famonjena, ka hitondrany fandresena sy fanafahana ho antsika.
3.4 Ety an-tanim-piadiana isika mpino ary mafy ny ady, saingy azo antoka ny fandresena.
3.5 Tsy herim-batana, tsy herin-tsaina, na hery ara-toekarena no handresena, fa ny finoana.
3.6 Tsy mora ny miatrika an’izao tontolo izao.


4 - Fampiharana Extra: Aoka

4.1 Aoka havaozina isan’andro ny fandraisana an’i Jesoa mba ho vaovao isaky ny andro ianao miatrika an’ity izao tontolo izao ity.
4.2 Aoka hatoky isika fa azo ravaina tsara ny Kosmos (rindran-damin’ny devoly eto amin’ity tany ity).
4.3 Aoka ho fantatsika fa efa vita ny fandresena, ny anjarantsika dia ny miady. Aza misalasala fa manana fahasahiana eo anatrehan’izao tontolo izao. Vavolombelona (miaramila miady) fa tsy miaro tena fotsiny.
4.4 Aoka hanaiky isika fa ny finoana an’i Jesoa Kristy no handresena ny hevi-diso sy ny fanao tsy mety.