FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA
Talata 10 Desambra 2024
FANDAHARANA
- Fiantsoana sy Fiderana
- Salamo 119:65-72
- Hira 4: Mamy ny fitianao
- Vavaka
- Hira 206/2: Ny Tenimasinao, izay noteneninao...
- Soratra Masina: Romana 5:1-5
- Hira 365/1-2: He ry mpanota anà sasatra...
- Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
- Vavaka
- Hira 73/3: Jesoa zaza hendry...
- Tsodrano
Romana 5:1-5
Voambolana
- Nampidina « ekkchytai » avy amin’ny matoanteny hoe « ekcheo » : mandraraka, mampidina, mampihanaka. Ny fisehon’ny matoanteny eto dia milaza zavatra efa vita ary mitohy sy mitoetra. Efa voararaka tsy azo raofina. Efa nampidinina tsy azo akarina indray. Efa mihanaka tsy azo sakanana.
IREO HEVITRA MANAN-DANJA
Mba hahazoana tsara ny hevitra tian’ny mpanoratra ho lazaina dia tsara ny mampahatsiahy ny hoe avy taiza moa ny mpino no tonga eo amin’ny filazan’ny Romana 5:1 hoe « Manana fihavanana amin’Andriamanitra »?
Ny Soratra Masina dia milaza fa talohan’ny fihavanana dia fahavalo isika tsy nanam-piadanana (Isaia 57:20-21; Romana 8:7; Jakoba 4:4).
Vokatry ny asam-pamonjena nataon’i Kristy dia tonga vita fihavanana amin’Andriamanitra isika (Romana 1:17; Romana 3:24; Romana 4:5; Jaona 14:27; Asa 10:36; Romana 8:6; Romana 10:15; Romana 14:17; Isaia 32:17; Galatiana 5:22).
Araka ny Romana 5:1, dia ny fihavanana amin’Andriamanitra no vokatra voalohany nateraky ny fanamarinana nataon’i Kristy ho an’izay mino. Amin’izany, na inona na inona lasany, satria noamarinina tamin’ny finoana izy dia tonga vita fihavanana amin’Andriamanitra. Amafisina fa tsy nihavana ho azy tamin’Andriamanitra fa nisy ilay mpanakanton’ny fihavanana tao, dia Jesoa Kristy.
Aterak’io fihavanana io dia misy fiovana feno fiadanana ao amin’ny mpanota rehefa tena tonga tamin’ny finoana marina izy: lasa naman’Andriamanitra (miova fijery, miova fihetseham-po, miova filana) — tena fahavalo lasa namana. Tsy misy na inona na inona azo resahina na mbola ho tsiahivina intsony eo anelanelan’ny mpino sy Andriamanitra afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy. Tsy tsarovana intsony ny lasa ratsy rehetra.
Araka ny Romana 5:2, dia misy ireto vokatra ireto ateraky ny fanamarinana nataon’i Jesoa Kristy:
- Amin’ny fiainantsika ankehitriny: fahafahana manatona an’Andriamanitra malalaka. Fifandraisana tsy voafefy na voafetra (toerana na fotoana).
- Fa eto koa no ahitana ny vokatra amin’ny ho avy: ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Mazava araka izany ny toerana misy ny mpino:
- Namana fa tsy fahavalo intsony.
- Mpiara-dalana ho amin’ny voninahitra raha niara-niainga tamin’i Jesoa Kristy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana.
Ny Romana 5:3-4 dia manampy amin’ny filazana hoe « Tsy izany ihany » (Rom 5:11).
Eny am-pandehanana dia tokony ho fantatr’ny mpino fa sekolim-pahoriana ny fiainana miaraka amin’i Jesoa Kristy. Ny zanak’Israely dia 40 taona nozahan-toetra tany an’efitra vao niditra ny tany Kanana (Deoteronomia 8:2).
Ny anton’ny fahoriana dia hitaizana ny mpino hatoky an’Andriamanitra. Tsy hoe hiaritra fahoriana avokoa ny mpino fa mety misy tsy miandry ela dia alain’ny Tompo (jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesoa).
Mampahery:
- Ao amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao dia tsy misy izany intsony (Apokalypsy 21:4).
- Amin’ny mpino, dia mampahery sy mampaharitra ny fahoriana, fa amin’ny tsy mpino dia mahakivy sy mampamoy fo. Mampitraka amin’ny mpino fa mampitanondrika amin’ny tsy mpino (Salamo 119:71; Romana 8:28).
Ny Romana 5:5 no azo lazaina fa ifantohan’izay rehetra voalaza. Eto no anononana voalohany ny teny hoe « Fanahy Masina » ato amin’ny bokin’ny Romana.
Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia matoky isika fa tafatoetra ao anatintsika ny fitiavan’Andriamanitra (fitiavana an’Andriamanitra): nampidinina sady nidina ao am-pontsika izany. Tsy misy afaka hanala ny fitiavan’Andriamanitra amintsika na ny fitiavantsika an’Andriamanitra (Romana 8:38-39).
Fandinihan-Tena
- Manana finoana marina ve ny Fiangonana ka tena efa vita fihavanana amin’Andriamanitra? Tena iainan’ny fiangonana ve izany fihavanana izany?
- Amin’ny maha-Kristiana antsika: ahoana ny fijerintsika ny zava-tsarotra sy ireo olana samihafa eo amin’ny fiainana?
- Tena tsapantsika ve fa aty amin’ny Fiangonana no tena misy ilay fanantenana tsy mamitaka?