Mofonaina 09 Aogositra 2024 – Salamo 93:1-5

Salamo 93:1-5

1 - NY BOKY

  • Fandraisan’anjaran’ny tsirairay: Toko 150, Fizarana 5, bokin'ny hira + Joba, Ohabolana, Tononkira ary ny Mpitoriteny.
  • Daty: 1400-394 BC.
  • Heverin'ny mpandinika tranainy fa ny bokin'ny Salamo ao amin'ny Baiboly dia toy ny fo ao amin'ny tenan'ny olona. (Ataovy hoe tsy misy hira ny fivavahana dia manao ahoana?)
  • Antonona ny olona rehetra sy ny trangam-piainana rehetra ny Salamo (Salamo 23 ohatra dia mahadidy roa ka mety amin'ny fahoriana fa azo tononina amin'ny fotoam-pifaliana koa, fantatry ny ankizy ary hain'ny lehibe tsianjery).
  • Amin'ireo fizarana 5 ao amin'ny boky, ny fiafaran'ny boky telo voalohany dia « Amena dia Amena » (Ps 41.13; Ps 72.19; Ps 89.52); ny boky fahefatra dia «Amena Haleloia» (Ps 106.48); ary ny boky faha dimy dia «Haleloia» (Ps 150.6).

2 - FAMARITANA NY TEKSTA

Ny Salamo 93 dia isan'ireo tononkira manambara ny fanjakan'Andriamanitra sady ilazana fa Jehovah no Mpanjaka; miaraka amin'ireto: Ps 47.96-99. Milaza ny maha-mpahary an'Andriamanitra koa izy. Azo lazaina fa nosoratana ho fiderana ny fiandrianan'Andriamanitra ity Salamo ity, kanefa koa dia fanehoana ny fahefany sy ny heriny, tohana sy fampaherezana ao anatin'ny sarotra. Raha mandinika isika ny Ps 93.3,4 dia mari-pahatsiarovana ny famonjena nataon'Andriamanitra tao amin'ny Ranomasina Mena ity salamo ity. Ny Ps 93.5 dia mari-pahatsiarovana ny nanomezana ny didy tao Sinay.

3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

  • 31. Andriamanitra avy amin'ny voninahiny sy ny fahamasinany: Mampiseho ny maha-Mpanjaka azy.
  • 32. Andriamanitra mipetraka eo amin'ny fanjakany mandrakizay: Maharitra mandrakizay ny fahamasinany, tsy azo alahatra amin'ny fahefana hafa.
  • 33. Andriamanitra masina: Mandresy ny feon'ny voary ny heriny sy ny fahamasinany. Ny fisian'ny teny hoe «mihoatra noho ny...» dia mampisongadina ny fihavahana.
  • 34. Andriamanitra dia maneho ny fahamasinany amin'ny Teniny: Teny mitondra fiainana sy fitsipika.
  • 35. Andriamanitra masina: Masina koa ny Tempoliny, toerana ivavahana sy fitoeran'ny fiainana masina.

4 - FAMPIHARANA DIMY: AOKA

  • 41. Aoka ho feno fanajana sy hanaiky tanteraka an'Andriamanitra isika amin'ny fiainantsika manontolo.
  • 42. Aoka ho tanjontsika mihitsy ny atao hoe fahamasinana: Saino isan'andro fa masina ary mbola mitoetra amin'ny fahamasinany mandrakizay ny Tompo.
  • 43. Aoka hiantehatra amin'ny hery sy ny fahamasinan'Andriamanitra isika indrindra rehefa tojo ny sarotra.
  • 44. Aoka hitarika antsika ho amin'ny fahamasinana hatrany ny Soratra Masina: Ilay Teny Marin'Andriamanitra.
  • 45. Aoka tsy ampitoviana amin'ny toerana rehetra ny tranon'Andriamanitra: Tsarovy koa fa ny tenantsika mihitsy no Tempolin'Andriamanitra (1 Co 6.19-20).