Zoma 08 Novambra 2024
FANDAHARANA :
- Salamo 119:161-168
- Hira 170: Ry Jesoa ny fitiavanao
- Vavaka
- Hira 534/1: Misy didy tena tsara
- Soratra Masina: Romana 12:9-21
- Hira HF 18/2: Raha tonga ny andro…
- Fiaraha-Mandinika Soratra Masina
- Vavaka
- Hira 530: Fitiavana rano velona
- Tsodrano
ROMANA 12:9-21
Endrika manokana no anolorana ny Fiaraha-Mandinika Soratra Masina anio. Efa niverina matetika teo anoloantsika ity bokin’ny Romana ity. Hifantoka ao amin’ny teksta anio isika.
Ny Romana 12: Toko mirakitra ny fampiharana ny fampianarana (toko 1-11), ary manomboka amin’ny fanoloran-tena sy fandavana an’izao tontolo izao izany.
- Rom 12:1-2 : Fanoloran-tena sy fiainam-baovao.
- Rom 12:3-8 : Fiainam-panompoana miaraka amin’ny Fiangonana.
- Rom 12:9-21 : Fiainam-piarahamonina amin’ny hafa.
FANDINIHANA NY TEKSTA
Drafitra:
- Rom 12:9 : Fitiavana madio.
- Rom 12:10-13 : Fifankatiavana amin’ny maha mpino.
- Rom 12:14-16 : Fifandraisana amin’ny hafa amin’ny fitiavana.
- Rom 12:17-21 : Fihatrehana am-pitiavana ny faharatsiana eny amin’ny fiaraha-monina.
- Ity teksta ity dia mifototra amin’ny andininy Rom 12:9: Amin’ny Baiboly Grika dia tsy misy teboka raha tsy ao amin’ny Rom 12:13.
- Voamarika ato amin’ny teksta ny fiverenan’ny teny hoe "Aza," izay milaza fandrarana (na fandavana) im-7. Izay dikan’ny teny grika hoe mé. Tsy tazana ao amin’ny dikanteny malagasy ny voambolana grika hoe té mialoha ny teny fanentanana hanao (ohatra, andininy 10: "Mifankatiava" sy "Mitariha"). Io teny io anefa dia manondro hevitra milaza fomba fanatanterahana. Raha adika dia hoe "amin’ny fifankatiavana araka ny … amin’ny fitarihan-dalana amin’ny fifanomezam-boninahitra," toy izany koa ny manaraka rehetra (Rom 12:10-13). Fomba enti-manatanteraka fa tsy baiko fotsiny.
Ohatra hafa:
Ao amin’ny andininy faha-19 izay manao hoe "Aza mamaly ratsy ny ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana," dia mazava kokoa raha ampiditra ny hevitry ny teny hoe té, ka tonga hoe "amin’ny fanomezan-dalana ny fahatezerana."
- Romana 12:20 // Ohabolana 25:21-22
Amin’ny Jiosy, ny "vain’afo" dia manambara fahafahana sy fanasitranana, fanomezana aina sy fitiavana. Sady manasitrana sy manafaka anao no manasitrana ny hafa ny fanaovana soa amin’izay nanao ratsy.