Zoma 06 Desambra 2024
FANDAHARANA
- Fiantsoana sy Fiderana
- Salamo 119:57-64
- Hira 7: Misaora an’Andriamanitra
- Vavaka
- Hira 177/1,4: Ry Fanahy Mpanazava mitariha anay izao… Ny Baiboly taminao…
- Soratra Masina : Kolosiana 3:12-15
- Hira 506/1: Tsy misy miadana ka afa-po…
- FMSM
- Vavaka
- Hira HF 47/1: Ianao izay mitady ny fiadanan-tsoa…
- Tsodrano
Kolosiana 3:12-15
1. NY BOKY
1.1 - Fandraisan’anjaran’ny tsirairay:
1.2 - Fanampiny
Ny tontolon’ny boky dia tontolo nampisongadina foto-kevitra samihafa: ny fiheverana jiosy, ny filozofia grika, ny fahefan’ny amperora romana, ny fanandratana ny anjely. Iray amin’ireo epistilin’ny fifatorana (Efesiana, Filipiana, Kolosiana, Filemona).
1.3 - Drafitry ny boky
2. FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
Ny teksta dia maneho fitaomana hiaina ny toetran’ny olona efa ao amin’i Kristy (Kolosiana 3:1-11): olom-boafidin’Andriamanitra (Kol 3:12, Jaona 15:16); olom-boaantson’Andriamanitra (Kol 3:15, Galatiana 5:13).
Voambolana:
- Mitafia ("Endyssathe"): avy amin’ny mtt hoe "endyō," izay midika hoe "sarony ny tenanao."
- Fiadanana ("Eirēnē"): fihavanana amin’ny tena (vatana, saina, fanahy, fihetseham-po) ary fiaraha-monina mirindra amin’ny hafa, izay tsy ho tanteraka raha tsy miainga amin’ny fihavanana na fifandraisana lalina amin’i Kristy.
- Fanamarihana ny teny hoe "Aoka" dia fanentanana entitra na fandidiana amin’ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana.
3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA
3.1 - Ny mpino dia olom-boafidin’Andriamanitra, miavaka sady tiana.
Tsy maintsy hiseho ho mendrika ny fifidianan’Andriamanitra isika. Aoka handini-tena momba izay tokony hampiavaka antsika amin’ny hafa. Ataovy antom-bavaka ny hitafiana ireo toetra miavaka voalaza eto (Kolosiana 3:12-15).
3.2 - Fototry ny fahatsaran’ny fifandraisana ny fandeferana sy ny famelana heloka, ary modely amin’izany i Jesoa Kristy.
Aoka ny famelan-keloka no hialoha ny fahatezerana. Ampio ny fiaraha-monina (ankohonana, fianakaviana, fiangonana, sns…) hifamela heloka rehefa misy disadisa (Kolosiana 3:13).
3.3 - Ny fitiavana no fonosan’ny toetra masina rehetra.
Tsy voafehy ireo hafa ary mety ho goragora raha tsy eo ny fitiavana. Tsy toetra mandeha manokana koa ny fitiavana, fa azo lazaina fa fototra sy fehizoro mampiray ny toetra masina rehetra (Kolosiana 3:14; Galatiana 5:22).
- Aoka haneho fitiavana ny olona rehetra isika, na dia ny tsy mankasitraka antsika aza.
- Amin’izay ataonao dia hevero hoe: "Vokatry ny fitiavana ve izany?"
3.4 - Amin’ny mpino dia ny fiadanan’i Kristy no mifehy ny fo, ny saina, ary ny fiainany manontolo.
Aoka hiezaka ho mpametraka fiadanana amin’ny toerana misy anao ianao (Kolosiana 3:15).
- Ataovy zava-dehibe ny fitokananao monina miaraka amin’Andriamanitra mba hahatonga anao ho loharanon’ny fiadanana ho an’ny hafa.
3.5 - Isan’ny toetra feno fahamboniana sy miavaka ny fahaiza-mankasitraka.
Aoka hiseho amin’ny atao sy ny lazaina ny fisaorana ataontsika (Salamo 116).
- Manaova fikarohana ka mitadiava teny fankasitrahana hifaneraseranao amin’ny hafa.
- Mazotoa mankasitraka an’Andriamanitra amin’ny betsaka sy amin’ny tsy misy aza (Habakoka 3:17-18).