Mofonaina 06 Aogositra 2024 – Levitikosy 19:1-4

Levitikosy 19:1-4

NY BOKY

Toko 27. Ity no atao hoe bokin'ny lutorjy teo amin'ny fivavahana Jiosy. Manomboka amin'ny fanatitra samihafa ny boky ary mifarana amin'ny fanorenana ny Tabernakely. Ny Sabata, ny Jobily, ny fahafolon-karena sns...

NY PERIKOPA

Levitikosy 19 dia fampahatsiahivana ombam-panazavana sy fampiharana ny didy nomen'Andriamanitra ny vahoakany (Jereo ny santionany).

Zava-dehibe ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany sy ny fahefany amin'ny fiverenan'ny teny hoe "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo" (ndeha isaina).

FOTOKEVITRA MANAN-DANJA

  • 31. Ny fampiombonana ny vahoakan'Andriamanitra: Tsy bitsibitsika na tohotso-fina na resaka atao amin'ny tsirairay fa tenenina amin'ny rehetra.
  • 32. Ny fahamasinan'Andriamanitra: Famaritana fototra ny maha izy azy an'Andriamanitra ny hoe "Masina".
  • 33. Ny Fiantsoana ny vahoakan'Andriamanitra ho masina: Tsy hoe tonga lafatra fa mankato sy marina eo anatrehan'Andriamanitra.
  • 34. Ny fankatoavana ny ray aman-dreny sy ny fanajana ny Sabata: Ampiarahina ato amin'ny andininy faha-3 ny fahatahorana ny Ray sy fanajana ny Sabata. Entina milaza fa manomboka any amin'ny fianakaviana ny fahamasinana ary mitatra any amin'ny fiangonana (Mpianakavin'ny finoana miara manaja an'Andriamanitra) Fiainana an-davanandro sady fiainana isan'andro mihitsy koa ny fahamasinana.
  • 35. Tokana ary tsy azo ampirafesina sady tsy azo songonana (Ametrahana zavatra hafa eo alohany) Andriamanitra.
  • 36. Mampahatsiahy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany sy mampiharihary ny fahefany mandidy ny fanononana hoe "Jehovah Andriamanitrareo".
  • 37. Ny filazana hoe "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo" dia fiantsoana sy fampahatsiahivana ny tokony hanolorana tena ho an'Andriamanitra izay firosoana amin'ny fahamasinana.

FAMPIHARANA: AOKA

  • 41. Aoka hanaiky hampiombonin'ny Tenin'Andriamanitra isika mba hiavaka sy ho masina. Tsarovy fa ny Tenin'Andriamanitra dia efa manamasina antsika. Boky miavaka ny Baiboly ary ao Andriamanitra no miteny amintsika vahoakany.
  • 42. Aoka ho fantatsika fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia miavaka sy hafa indrindra (Aza atao ny hoe andriamanitra iray ihany io e).
  • 43. Aoka hanao ho zava-dehibe ny fitsipi-pitondran-tena isika. Mandroso amin'ny fahamasinana ny fiainantsika.
  • 44. Aoka aseho amin'ny fihetsika sy ny fiteny ny fahatahorana (fanajana) ny ray aman-dreny. Ampio sy karakarao ireo efa reraka. Raiso ny Sabata ho andro fitsaharana hanamarihana ny fitiavana sy ny fanajana an'Andriamanitra sy hampitombo anao amin'ny fahamasinana miaraka amin'ny Fiangonana.
  • 45. Aoka ho fadina ny fanompoan-tsampy. An'Andriamanitra irery ny fiainanao fa tsy iombonany amin'ny hafa. Ianao mihitsy no masina ho an'Andriamanitra. Tandremo ny ataonao andavanandro mba tsy hitarika anao hanao ambanin-javatra an'Andriamanitra.
  • 46. Aoka ho tsarona mandrakariva fa efa nanao fanekena ho Andriamanitrao Andriamanitra ary masi-mandidy amin'ny fiainanao Izy.
  • 47. Ampitomboy hatrany amin'ny famakiana Baiboly sy ny vavaka ny fifandraisanao amin'Andriamanitra. Tsarovy koa fa tsy Andriamanitrao irery Andriamanitra fa iombonanao amin'ny hafa koa dia ampitomboy ny fahamasinanao amin'ny fiombonanao amin'ireo mpino toa anao.