MOFONAINA 04 OKTOBRA 2024 – MATIO 9:9-17

image_pdfPDF

Mofonaina 04 Oktobra 2024 - Matio 9:9-17


1. NY BOKY

11- Fandraisan’anjaran’ny tsirairay:
Toko faha-28, nosoratana tamin’ny taona 70-75 AD, Matio no mpanoratra. Ireo andininy tadidinao ao amin’ity boky ity.

12- Fanampiny
121. Toy ny Filazantsara rehetra, dia milaza ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany ny boky: ny fahaterahany, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty.
122. Nosoratana indrindra ho an’ny Jiosy ity Filazantsara ity, ary manamarika izany ny fahitana andinin-tSoratra Masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha ho fanamafisana ny filazana ataony. (Matio 1:23 // Isaia 7:14 ; Matio 2:6 // Mika 5:1 ; Matio 2:15 // Hosea 11:1 ; Matio 2:17-18 // Jeremia 31:15 ; Matio 4 ; Matio 27:9-10 // Zakaria 11:13)
123. Misongadina ato ny fampianarana mikasika ny Fanjakan’ny Lanitra (Andriamanitra).
124. Ny fitantarana ny tetiaran’i Jesoa dia voarindra tsara araka ny fehiny ao amin’ny Matio 1:17 (Taranaka 14 * 3).
125. Ny Filazantsara araka an’i Matio dia mampivoitra fa ny finoana dia tsy maintsy aseho amin’ny asa, toy ny famelan-keloka, ny fitiavana, na ny fanompoana.

13- Drafitry ny boky
Raha ampitahaina amin’ny Filazantsara hafa, dia toa miantsoro mianoatra ny fitantarana ato amin’ny Matio. Ohatra: Ny fiantsoana ny Apostoly ankoatry ny Matio (Matio 4:18-22 sy Matio 9:9) dia tsy miseho manontolo raha tsy ao amin’ny toko faha-10, sady fitanisana tsotra.

Misongadina ireto fizarana ireto:
131. Ny fahaterahana sy fiomanana amin’ny asa (toko 1-4)
132. Ny toreiteny (toko 5-7)
133. Ny Mpianatra (toko 8-10)
134. Ny Fanjakan’ny Lanitra (toko 11-13)
135. Fampianarana sy fahagagana (toko 14-20)
136. Ny fijaliany sy ny fandreseny (toko 21-28)


2. FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21- Famaritana
(Fehezinao araka ny zavatra nianarana)

22- RAKI-BOLANA
221. Famindrampo (“Eleos”): Ampiasaina eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona, ary eo amin’ny olona samy olona koa.
222. Siny (“Askos”): Milaza siny hoditra fitondrana fisotro fa tsy fitoeran-drano ao an-trano, izay maneho ny fiainana manontolo.


3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

  1. Ny fiantsoana no fanombohan’ny fihavaozana.
  2. Mariky ny famelana ny fiaraha-misakafo.
  3. Tsy anavahana na iza na iza ny famonjena.
  4. Tsy azo atao mifanindry ny fiainana taloha sy ny fiainam-baovao.
  5. Tsy tonga hanameloka i Jesoa fa hamela heloka.

4. FAMPIHARANA

  1. Aoka hiaino sy hamaly ny antson’ny Tompo mandrakariva isika raha te hihavao. Fadio ny hoe mbola tsy vonona aho na hoe tsy hanao aho.
  2. Aoka hataontsika ho zava-dehibe ny fiombonan-databatra amin’ny Tompo sy amin’ny hafa.
  3. Aoka tsy hisalasala isika hanatona an’i Jesoa mba ho vonjena. Aza manilika ny tenanao na ny hafa.
  4. Aoka tsy atambatra amin’ny fombafomba nifandovana ny Filazantsara sy ny fiainam-baovao.
  5. Aoka ampahafantarina amin’ny rehetra fa tsy biby fampitahorana ny Tompo, fa tena sakaiza feno fitiavana. (Tsy Jesoa mpibedy fotsiny izy, fa Mpamela heloka koa.)
image_pdfPDF