Mofonaina 03 Septambra 2024 – Jakoba 5.13-15

Mofonaina TALATA 03 Septambra 2024

Jc 5.13-15

1. NY BOKY

1.1. Fandraisan'anjaran'ny tsirairay:

  • Toko: ?
  • Ny andininy tadidy: ?
  • Daty nanoratana: ?

1.2. Fanampiny:

  • Epistily nosoratan'i Jakoba dia isan’ireo atao hoe Epistily katolika: nosoratana ho an’ny maneran-tany (Jc 1.1).
  • Epistily manakaiky ny Katolika satria mivohy ny maha-zava-dehibe ny asa eo amin’ny maha-kristianina, raha toa ka Romana ho an’ny Protestanta.
  • Mpanoratra: Jakoba, notononina koa hoe "ilay marina," voalazan’ny Soratra Masina fa rahalahin’ny Tompo (Mt 13.55/Mc 6.3). Nitondra ny Fiangonana tao Jerosalema tamin’ny taona 48-62 (Ac 12.17; Ac 15.13-21; Ac 21.18; 1 Co 15.7; Ga 1.19; 2.12). Ny fijoroany araka ny Ac 15.13-21.
  • Antony: Fampaherezana ireo tratry ny fanenjehana sy ny fahantrana ary ny fahasahiranana samihafa (Jac 1.2-4; Jc 1.12; Jac 2.6-7; Jac 5.4-11; Jac 5.13-14).
  • Voamariky ny teny mandidy (54 isa eo ho eo). Lohahevitra miavaka tsy dia misy fifanohizan-kevitra.

Drafitry ny boky

  1. Jac 1.1: Fiarahabana.
  2. Jac 1.2-8: Ny tombontsoan’ny fizahan-toetra.
  3. Jac 1.5-8: Ny vavaka amin’ny fahatokiana.
  4. Jac 1.9-11: Ny manana sy ny mahantra.
  5. Jac 1.12-18: Ny fizahan-toetra ny finoana.
  6. Jac 1.19-2.26: Ny lojikan’ny finoana sy ny lojikan’ny asa.
  7. Jac 3.1-4.12: Ny fahendrena azo avy amin’ny finoana aseho amin’ny teny sy amin’ny asa.
  8. Jac 4.13-5.6: Ny mpanana sy ny fombany.
  9. Jac 5.7-20: Ny faharetana sy ny fiombonana noho ny finoana.

2. FAMARITANA NY TEKSTA

3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY @ TEKSTA

3.1 Vavaka amin’ny toe-javatra rehetra (Jac 5.13).
3.2 Vavaka amin’ny anaran’ny Tompo (Jac 5.14).
3.3 Vavaka amin’ny finoana.
3.4 Vavaka ao anatin’ny firaisan-kina.
3.5 Ny herin’ny finoana sy ny famelan-keloka (Jac 5.15).
3.6 Ny fifamatoran’ny fahasalamana sy ny famelan-keloka.
3.7 Ny andraikitry ny fiangonana eo amin’ny fitsaboana sy ny fanasitranana (Tsy raharahan’olon-tokana ny fanasitranana).

 

4. FAMPIHARANA FITO: AOKA

4.1 Aoka ho feno vavaka isika na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
4.2 Aoka tsy hamaivanina ny fampaherezana ny marary ara-panahy sy ara-batana.
4.3 Aoka hanamafy hatrany ny fahatokiana (finoana) an’Andriamanitra isika.
4.4 Aoka hamafisina ny fiombonam-po amam-panahy ao amin’ny Fiangonana.
4.5 Aoka tsy ho adinoina ny mangataka famelan-keloka rehefa mivavaka ho an’ny marary.
4.6 Aoka ho zatra hifampizara ao anatin’ny fifampitokisana isika mpino.
4.7 Aoka hivelona amin’ny famindrampon’Andriamanitra isika mba ho salama.