Mofonaina 02 Aogositra 2024 – I Samoela 16:4-13

Zoma 02 Aogositra 202

1 Sam 16:4-13

1. NY BOKY

1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay

  • Toko: 31
  • Daty: Tantara niseho 1055 BC, nosoratana tamin'ny 1055 BC
  • Sokajin’ny bokin’ny tantara: Ny olon'Andriamanitra voalaza ao dia Samoela, Saoly, Davida. Manamarika ny Boky ny olam-pianakavian’i Samoela, ny olana ara-panahin’ny ankohonan’i Ely, ny fiorenan’ny fanjakan’Israely, ny faharesen’i Goliata. Ato no misy ny voalohany ny teny hoe MESIA (1 Sam 2.10).

Drafitry ny boky na (Foto-kevitra misongadina)

  • 1-3: Ny fahaterahana sy ny fiantsoana an’i Samoela (Hana; zanak’i Ely, Samoela)
  • 4-7: Ny Fiaran'ny Fanekena sy ny ady tamin’ny Filistina (Ady sy ny fangalana ny Fiaran'ny Fanekena, ny fahavoazan’ny Filistina, ny famerenana ny Fiaran'ny Fanekena, ny fibebahan’ny Zanak'Israely sy ny fandreseny)
  • 8-12: Fametrahana ny fanjakana (Tsy fahombiazan’ny zanak’i Samoela Fangatahana sy fanosorana an’i Saoly ho Mpanjaka)
  • 13-15: Fanjakan’i Saoly (Tsy fankatoavana sy fialan'Andriamanitra taminy)
  • 16-31: Ny niakaran’i Davida teo amin’ny fanjakana (Fifidianana sy fanosorana, Ady mafy, Fihavanana + Jonatana, Saoly sy ny fialonana, Davida nialoka tany Filistina, fahafatesan’i Saoly)

2. FAMARITANA NY TEKSTA

Taorian'ny nandavana an'i Saoly dia nirahina ho any Betlehema i Samoela hitady izay mpanjaka sitrak'Andriamanitra. Niala tao Rama (Fihamboniana fa toeran'ny fitomaniana koa) ho any Betlehema (Tranon'ny mofo) / Jereo ny saritany. Manomboka eto ny tantaran'ny fanjakan'i Davida. Rehefa nosorana i Davida dia niala ny Fanahy tao amin'i Saoly ary nisolo fanahy ratsy. Ny tendry nataon'i Davida no nahasitrana azy.

3. IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

  • 31. Mampidi-doza sy mahatonga faharavana ny tsy fankatoavana. Zava-dehibe ny fankatoavana (Samoela).
  • 32. Andriamanitra no misafidy araka ny fijeriny (Ny fo sy ny ao anaty).
  • 33. Ny herin'ny fanosorana toy ny fanomezam-pahefana avy amin'Andriamanitra: Mariho fa in-3 nohosorana ho mpanjaka Davida. Nisy fotoana voalohany tao an-trano (1 Sam 16.13), tao Hebrona (2 Sam 2.4), ary fotoana fahatelo tao Hebrona ihany (2 Sam 5.3) izay ialohavan'ny teny hoe fanekena.
  • 34. Ao amin'izay manetry tena sy tsy heverina no itodihan'Andriamanitra (Mpiandry ondry).
  • 35. Andriamanitra Tsitoha (Tsy refesina amin'izay tiany hatao Izy).

4. FAMPIHARANA DIMY: AOKA

  • 41. Aoka ho feno fankatoavana isika.
  • 42. Aoka hanao ho zava-dehibe ny toetra anaty isika fa tsy ho sodokan’ny endrika ivelany.
  • 43. Aoka hanao ho zava-dehibe ny fanosorana isika.
  • 44. Aoka hanome lanja ny hafa isika sady hahay manetry tena koa.
  • 45. Aoka tsy ho refesina amin’ny zavamisy sy ny efa nitranga ny fomban'Andriamanitra fa manana ny fomba fiasany Izy.