FANDAHARANA:
- Fsy F: Salamo 119:89-96
- Hira: 537
- Vavaka
- Hira: 210/1
- Soratra Masina: Titosy 1:1-4
- Hira: 175/1.5
- FMSM
- Vavaka
- Hira: 489/1
- Tsodrano
Titosy 1:1-4
1 - NY BOKY
1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay
1.2 Fanampiny
- Taona: 63-66 T.K.
- Mpanoratra: Paoly.
- Titosy: Grika (Galatiana 2:3), ara-panahy dia zanak’i Paoly izy (Titosy 1:4). Tao Kreta no nanendrena an’i Titosy. Epistily Pastoral ity epistily ity, nosoratana tany Makedonia na Efesosy.
Antony nanoratana: Fiangonana vaovao ny tao Kreta, ary dia nilaina ny fanitsiam-pitondran-tena sy ny fampianarana ny fitondran-tena Kristianina. Toy ny epistily rehetra nosoratan’i Paoly dia asongadiny koa ny filazana ny fahasoavana ho antoky ny famonjena (toko fahatelo).
Ireo teny manamarika ny boky: Mpamonjy (in-6), na izy + Andriamanitra (Titosy 1:3) na + Kristy Jesoa (Titosy 1:4). Ny hoe "fampianarana tsy misy kilema" sy "fahononan-tena." Lazainy fa ny fitambaran’ny fampianarana tsy misy kilema sy ny fahononan-tena no mahatonga toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ny vokatry ny fampianarana tsy misy kilema dia fitondran-tena sy asa tsara.
1.3 Drafitry ny boky
- 131- Ny fitantanana sy fandraharana ao amin’ny Fiangonana (Tit 1:1-16)
- 132- Ny fitondran-tenan’ny Fiangonana (Tit 2:1-15)
- 133- Fitondran-tena ara-piaraha-monina sy ny fahasoavana (Tit 3:1-15)
2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
2.1 Famaritana ny Teksta
Ity teksta ity dia ao anatin’ny fizarana milaza ny fitantanana ny Fiangonana. Tapany voalohany izay manokatra ny Epistily ary mamaritra ny fitondran-tenan’ny mpitarika. Fanolorana fiarahabana.
2.2 Voambolana
- Finoana (1:1): "Pistis" — finoana mifamatotra amin’ny fankatoavana ny fifidianan’Andriamanitra; miorina sady mahavokatra fitondran-tena tsara. Pistis dia azo adika koa hoe matoky sy mandresy lahatra.
- Fanantenana (1:2): "Elpis" — miresaka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eto. Ny Elpis eto dia tsy faniriana fotsiny fa fanantenana azo antoka miorina amin’izay efa nolazain'Andriamanitra (teny fampanantenana).
3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA
Ampifanojoana amin’ny lohahevitry ny perikopa volana Novambra
3.1 Ny fandraisana ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena sy amin’ny fijoroana tsy misy henatra: Aoka hanompo amin’ny faharesen-dahatra ho olom-boantso isika ary hanompo amin’ny fanetren-tena fa tsy filam-boninahitra (Tit 1:1).
3.2 Ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinana efa nampianarina sy nianarana: Fahamarinana mitarika amin’ny fiainana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra; aoka hiorina sady hivelona amin’ny fiainana feno fahamasinana araka ny fampianarana izay nomena (Tit 1:2).
3.3 Ny fananana toe-panahy feno fanantenana miorina amin’ny fahatokiana ny Tenin’Andriamanitra: Aoka tsy handeha amin’ny fihetseham-po, fa tena tarihin’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy hiala amin’izay efa antenaina na inona na inona mitranga. Andriamanitra tsy mandainga no niteny (Tit 1:2).
3.4 Ny fanatanterahana ny fanompoana niantsoana araka izay nampanaovina sy mifanitsy amin’ny sitrapon’Andriamanitra: Aoka ho feno fahavononana hanatanteraka ny fanompoana nampanaovina isika, ary ataovy araka izay nandidin’Andriamanitra izany (Tit 1:4).
3.5 Ny fanehoana fifandraisana lalina toy ny ankohonana iray noho ny finoana: Aoka ho tena fiainana ny fanononana ny hoe "ry havana malala ao amin’ny Tompo" (Tit 1:5).