FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA: ZOMA 28.06.24
Es 43:1-7
1. ISAIA: NY BOKY
Toko 66 izay mizara 3 :
- Toko 1-39: Korontana politika vokatry ny sampy
- Toko 40-55: Fahababoana any Babylona
- Toko 56-66: Tafaverina any Joda ny babo
Isaia: Ny Tompo no mpamonjy. Naminany tamin'ny taona 740 BC - 680 BC (60 taona).
2. TEKSTA: Teny ho an’ny Fiangonana any am-pahababoana
3. VOAMBOLANA BIBLIKA: Nahary, namorona, nanavotra, momba anao, anaranao, niantso, sns.
4. VOTOATINY (Fiarovana)
Es 43:1
- Nahary sy namorona Andriamanitra: Misy fifandraisana manokana aminy ianao.
- Nanavotra: Novidiny lafo ny fanafahana anao.
- Niantso ny anarana: Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsirairay.
Es 43:2
- Amin’ny fotoanan’ny loza dia eo mandrakariva Andriamanitra.
- Voajanahary ny loza (rano) mety vokatry ny ataon’olombelona koa (afo): Miantoka ny fiarovana amin’izany Andriamanitra.
Es 43:3
- Mampahatsiahy ny maha-izy azy Andriamanitra IHWH: Tompo sy Mpamonjy.
- Firenena telo no indray hoentina manavotra ny Israely (Egypta, Seba, Etiopia).
- Etiopia dia firenena tao atsimon’i Egypta ary tena nanankarena sy natanjaka ara-politika ary nanana fifandraisana akaiky tamin’i Egypta. Seba dia Yémen ankehitriny: Tompon’ny epice sy ny vato sarobidy. Egypta firenena natanjaka na dia efa notandindonin’ny Asyriana aza tamin’izany.
Es 43:4
- Ny fitiavan’Andriamanitra no antony hiarovany ny olony.
- Sarobidy loatra amin’Andriamanitra ianao matoa avotany.
Es 43:5-6
- Efa fiarovana ny fampiombonana (famoriana) sady fanehoan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny vazan-tany rehetra.
- Ho an’ny rehetra ny fiarovana ary tsy afaka miala amin’ny tondrozotran’Andriamanitra isika raha te ho voaaro.
Es 43:7
- Efa arofanina ho an’ny olon’Andriamanitra ny fahatsiarovany fa nisy izy mba hanome voninahitra an’Andriamanitra.
- Miverina eto ny hoe "Nantsoina", "noforonina".
FEHINY: Ny Es 43:1-7 dia manambara ny fiarovan’Andriamanitra miorina amin’ny fitiavany sy ny fanatrehany, ny fanavotany, ary ny fanomezany lanja ny tsirairay.
5. FAMPIHARANA
- Manonona vavaka fisaorana ny amin’ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan’ny rotorotom-piainana.
- Manokana fotoana handinihanao ny fanatrehan’Andriamanitra tsy tapaka ny fiainanao (Hay teo foana i Kristy).
- Efa hifarana ny lohahevitra "Miaro ny olony ny Tompo": Ataovy tadidy ny andinin-tsoratra Masina milaza ny fiarovan’Andriamanitra. Raiso ho anao ireny (Aza avela handalo na omena ny hafa).
- Tsarovy fa olona manan-danja ianao ary aza vingavingaina ny hafa (Aza manao tsinontsinona ol).
- Mahaiza mifanatona sy mifamonjy.
- Ataovy tanjon’ny fiainanao ny voninahitr’Andriamanitra.
- Aza adinoina ny mijoro vavolombelona amin’izay efa niarovan’Andriamanitra anao mba ho hery ho an’ny hafa izany.
VAVAKA MANGINA + RZA