Ezekiela 34,20-31 / Mofonaina Talata 16 Jolay 2024

Ezekiela 34,20-31

1. NY BOKY

Ny faminaniana tao amin'ny bokin'i Ezekiela dia natao teo anelanelan'ny taona 594-536 talohan'i Kristy. Izy io dia nosoratana tany amin'ny fahababoana, araka ny hita ao amin'ny Ez 1:1. Ny famaranana dia hita ao amin'ny Ez 48:35, izay milaza hoe "JEHOVAH NO AO", izay tokony halalinina ny antony sy ny heviny.

2. FAMARITANA NY TEKSTA

Ity teksta ity dia ao anatin’ny faminaniana mitodika amin’ireo mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra (Israely). Ireo mpitarika dia oharina amin'ny mpiandry ondry tsy mahatoky, fa manome toky kosa Andriamanitra fa hanome azy ireo mpiandry ondry tsara, izay tandindon’Ilay Mesia.

3. IREO VOAMBOLANA MANAN-DANJA (10)

  1. Mpiandry ondry: Mazàna ilazana ny mpitarika ao amin'ny Fiangonana ary hanehoana an-tsary an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy mitarika sy miaro ny vahoakany (Jn 10:11).
  2. Ondry (Andiany): Anondroana mazàna ny Fiangonana izay mila mpiandry hitarika sy hamahana (Jn  10:14-16).
  3. Fitsarana (Hitsara): Fanavahana ny tsara sy ny ratsy ary fampiharana ny rariny. Ny matavy sy ny mahia dia enti-milaza ny marina sy ny tsy marina (Ez 34:20-22).
  4. Fanekem-pihavanana: Fampanantenana na fifanarahana masina eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany (Ez 34:25).
  5. Fiadanana: Tsy fisian’ady, fitoniana, fahafenoana, sy fahasalamana ara-panahy (Milamina ianao sy Andriamanitra), ara-batana, ary ara-tsosialy (Ez 34:25-28).
  6. Fanarenana: Famerenana zavatra na olona amin’ny toetrany voalohany na fanamboarana ho tsara kokoa (Ez 34:23-24).
  7. Rariny: Ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana amin’ny fitondrana sy ny fitsarana (Ez 34:20-22).
  8. Fiarovana: Tsy fiarovana fotsiny fa fikarakarana koa (Ez 34:25-28).
  9. Fandrosoana: Tsy ara-materialy ihany fa ara-panahy sy ara-tsosialy koa (Ez 34:26-27).
  10. Mpanompo (Davida): Olom-boafidy notendrena hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra (Ez 34:23-24).

FAMPIHARANA FITO: AOKA

  1. Aoka hambara ny tsy rariny
  2. Aoka harovana ireo marefo
  3. Aoka haka tahaka an’i Kristy ny mpitarika
  4. Aoka ho tsapan’ny olona fa toeram-pamonjena ny Fiangonana
  5. Aoka ho hita taratra fa eto ny loharanom-pitahiana
  6. Aoka handinin-tena isan’andro ireo mpitarika ao amin'ny Fiangonana
  7. Aoka ilofosana ny fifampitsinjovana