EKSODOSY 15.1-5; 25 Jona 2024

image_pdfPDF

FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA TALATA 25.06.24

EX 15:1-5

EKSODOSY: NY BOKY

Isan'ny toko: 40

Andininy fototra: Ex 12:23

Heviny: Fahafahana, fandalovana, na Pask'IHWH.

Datin'ny tantara: Tokony ho tamin'ny taona 1446 BC (Miainga avy eo amin'ny 1R 6:1 : Nanorenana ny Tempoly tamin'ny taona 966 BC + 480 taona). Daty nanoratana miovaova tokony ho tamin'ny andron'i Mosesy, taon-jato faha-15 talohan'i Jesoa Kristy.

Ireo mampiavaka ny boky:

  • Betsaka
  • Ny fivadihan'ny tantaran'ny Zanak'Israely (Ex 3:8 ss)
  • Ny loza folo (Ex 7-12)

 

NY TEKSTA

Tonon-kiram-piderana taorin'ny famonjena ny Zanak'Israely tao amin'ny ranomasina mena (Ps 136): Izy ity dia antsoina koa hoe fihiranan'i Mosesy na ny hiran'ny ranomasina.

Votoatiny:

  1. Fiderana ny herin'Andriamanitra tamin'ny fidirany an-tsehatra amin'ny fomba mahagaga ho famonjena ny Zanak'Israely.
  2. Fankasitrahana an'Andriamanitra ILAY MPIADY MAHERY (Ex 15. 3): Tsy mpamonjy fotsiny izy fa mpitari-tafika koa.
  3. Mandevona tanteraka ny fahavalo ny Tompo: Fampahoriana lalina ho valin'ny fampahoriana ny Zanak'Israely (Ex 15. 4-5).

Tonon-kira fiderana manamarika kion-dalana lehibe eo amin'ny tantaran'ny Zanak'Israely ary maneho ny maha Andriamanitra mahatoky sy mahery an'Andriamanitra.

Teny fanalahidy (10) :

Ireo teny izay milaza fanafahana, fiderana, ary manambara ny herin'Andriamanitra:

  1. Mihira: Valin-tenin'ny olona amin'Andriamanitra.
  2. Jehovah: ...
  3. Voninahitra: Hery sy fahefana.
  4. Ranomasina: Fahoriana lalina sy mavesatra.
  5. Soavaly sy ny mpitaingina azy: Ny farao sy ny herin'ny miaramilany.
  6. Hery-ko: Loharanon-kery sy famonjena ho an'ny olony ny Tompo.
  7. Mpiady mahery: Mpiaro sy mpiady ho an'ny olony ny Tompo.
  8. Farao: Fanononana ny mpanjakan'i Egypta, sarin'ny geja sy ny fatorana mahazo.
  9. Famonjena.
  10. Andriamanitry ny razako: Fitohizan'ny finoana, fifandraisana amin'Andriamanitra manohy ny taranaka mifandimby, Andriamanitra tsy miova, fifamatorana ao amin'Andriamanitra tsy ho an'olon-tokana fa ho an'ny olom-boafidiny, fiorenan'ny lova ara-panahy, maha zava-dehibe ny fahatsiarovana.

FAMPIHARANA (7) :

    1. Mahaiza midera sy mankasitraka.
    2. Fantaro fa mahery ny Andriamanitra ivavahantsika.
    3. Ampitao amin'ny hafa ny finoanao.
    4. Iaino ny fiombonana.
    5. Matokia an'Andriamanitra ao anatin'ny sarotra.
    6. Fankasitrahana fa tsy fangatahana fotsiny ny vavaka.
    7. Vakio manontolo ity tononkira ity.

VAVAKA MANGINA + RZA

image_pdfPDF