1 Sam 7 : 2 – 14 ; Zoma 21 Jona 2024

image_pdfPDF

1. NY BOKY

Toko 31 izay mitantara ny zavaniseho tamin'ny taona 1149-1055 BC nosoratana tamin'ny 1055 BC. Samoela = Ilay nohenoin’Andriamanitra. Ato no voalaza voalohany ny teny hoe MESIA (Ilay voahosotra) ao amin'ny 1 Sam 2:10. Vanim-potoanan’ny tetezamita hidirana amin’ny fananana mpanjaka ny vanim-potoana Samoela. Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely (1 Sam 8:4-5) tamin'ny taona 1120 BC. Ny boky dia manomboka amin’ny nahaterahan’i Samoela ary mifarana amin’ny nahafatesan’i Saoly.

2. VAKITENY

(1 Sam 7:2-14)

Ity anjara vakiteny ity dia ialohavan’ny nangalan’ny filistina ny fiaran’ny fanekena (1 Sam 5 sy 1 Sam 6) sy ny loza nanjo azy ireo ary ny famerenana izany.

3. IREO TOKONY HO MARIHINA

31. Mpandray anjara:

  • IHWH
  • Samoela
  • Ny israelita
  • Filistina

311. Filistina:

Ireo tany amorontsiraka atsimon’ny tany Kanana. Ny mponina dia avy amin’izany atao hoe Kaftora (any Egypta) Jér 47:4, Am 9:7, Gen 10:14, Deu 2:23. Efa tamin’ny andron’i Samsona no nanafika ny Zanak'Israely ny Filistina. Ny sampiny dia ilay atao hoe Dagona (1 Sam 5:2-3).

312. Israelita:

Olon’ny firenena voafidy (Jiosy). Israelita: Hevitry ny fifidianana sy ny famonjena ary ny finoana sy ny fanantenana ny Mesia. Hebreo na Jiosy.

313. Samoela:

Zanaky ny fiaretana, zaza valim-bavaka. Natolotra ny Tompo raha vao nisara-nono ary nahazo ny fiantsoana maha-mpaminany tamin’ny andron’i Ely (1 Sam 3). Tonga mpitsara izy rehefa maty Ely (1 Sam 7).

314. IHWH:

Andriamanitra mamakivaky ny tantara sy mpamonjy ary mpanafaka, mpiady ho an’ny Zanak'Israely (Exo 3:14).

Fanamarihana :

MIZPA = Tilikambo fitazanana. Tanàna niorina teo amin’ny toerana avo ary mahatsinjo lavitra. Toerana fanaovana fivoriam-ben’ny vahoaka (Jug 20-21, 1 Sam 10:17-24 fifidianana mpanjaka). Hevi-panahy: Toerana fitadiavana ny Tompo amin’ny fotoanan’ny krizy. Fibebahana sy fanavaozana.

32. Ny trangan-javatra miavaka (07)

  • 20 taona no tao Kiriata-Jearima ny Fiaran’ny fanekena (1 Sam 7:1).
  • Samoela miantso fibebahana (1 Sam 7:2).
  • Niaiky sy nanary ny sampiny ny israelita (1 Sam 7:4).
  • Samoela nivavaka ho an’ny Israely (1 Sam 7:5-6).
  • Nanafika ny filistina ary namely tamin'ny kotroka (1 Sam 7:7-11).
  • Tafaverina ny tanin’Israely (1 Sam 7:13-14).
  • Nanangana vato i Samoela « EBENEZERA » (1 Sam 7:12).

4. IREO TOKONY HALALININA

  • Ny fibebahana (1 Sam 7:3-4).
  • Ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny mpitarika ara-panahy sy ny vavaka fangatahana (1 Sam 7:7-11).
  • Nanao ahoana ny asan’Andriamanitra vokatry ny fibebahan’ny Israely sy ny vavaka nataon’i Samoela (1 Sam 7:7-11).
  • Inona no nilana ny « EBENEZERA »?

5. FAMPIHARANA

  • Hevero izay tokony hibebahanao.
  • Inona ny tokony hangatahinao amin’Andriamanitra (Misy ady atrehinao ve?).
  • Inona no efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ka nanangananao « EBENEZERA »?

6. FIARAHAMIDINIKA

  • Misy andriamani-kafa ve tokony esorinao eo amin’ny fiainanao (sampy)?
  • Ahoana no atao hivavahana ho an’ny Fiangonana sy ny firenena (Fantaro ny zava-misy)
  • « EBENEZERA » toy inona no heverinao aorina ho fahatsiarovana ny asan’Andriamanitra?

7. FINTINA

Mibebaha dia mivavaha ary manantenà (2 Chron 7:14 sy Jacq 5:16).

8. VAVAKA

Vavaka mangina.

image_pdfPDF