1 Petera 2 :13 : « Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona »
1/ Hialohavy amin’ny hoe « Noho ny Tompo » ny teninao
Mananatra antsika ny Tompo amin’ny alalan’ny teniny hoe ny amin’ny fisainana, ny amin’ny fitondran-tena dia hialohavy amin’ny hoe « noho ny Tompo ». Hiova ny fisainanao, hiova ny fombanao, hiova ny fanompoanao rehefa ataonao hoe « noho ny Tompo ». Ary tsy hoe aty am-piangonana ihany fa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao.
Dia ho an’ny olona mandray izay anatra izay, inona ny exemple omen’ny Soratra Masina eto ? Hoe: "Maneke izay rehetra voatendrin’ny olona". Izay rehetra voatendrin’ny olona izany dia ekena. Ary sarotra ho antsika io ; fa izay ilay hoe hialohavina amin’ny hoe : « noho ny Tompo ».

2/ « Ekeo izay rehetra voatendrin’ny olona »
Vonona ny amin’izany ve ianao ry havana ? Mety mieritreritra ianao hoe sarotra izany. Fa tamin’ny andron’i Petera ny tao an-tsain’i Petera dia ilay empereur antsoina hoe Néron izay nalaza tamin’ny cruauté. Izy no tenenina hoe « maneke » : maneka azy. Noho ny Tompo dia mitombo isika amin’ny fanekena.
Hamafisina fa any amin’ny Asan’ny Apostoly 5 :29, Petera ihany no manoratra : « Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe : Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona ».
Enga anie ka hampieritreritra antsika, hananatra antsika, hampitombo antsika amin’ny fanekena izay voatendrin’ny olona ny 1 Petera 2 :13. Fa ny fetra dia hoe raha misy mampanao zavatra manohitra an’Andriamanitra dia Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona. Amena