Deoteronomia 29 :25a : « Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany »
Ny fanontaniana apetraka aminao dia hoe : « Ianao izay manompo an’Andriamanitra io, oviana ianao no mba niankohoka teo anatrehan’Andriamanitra ? »
Tsy miankohoka ianao satria mety tsy fantatrao hoe tiany ianao hiankohoka eo anatrehany. Ao amin’ny Matio 4 :8, Jesoa alain’i Satana fanahy dia mampahatsiahy fahamarinana volamena hoe : Jehovah Andriamanitrao ihany no hiankohofanao. Oviana ianao no niankohoka ?
Tsy miankohoka ihany koa ianao satria tsy fantatrao hoe amin’ny fotoana toy inona ianao no afaka miankohoka. Afaka miankohoka ianao ao amin’ny efitranonao mangingina. Fa aty am-piangonana ihany koa ampahatsiahivina anao hoe ilay louange ataontsika, raha ny marina dia tsy fiderana ihany (louange) fa fiankohofana (adoration).
Inona no maha-samihafa ny louange sy ny adoration ? Ny louange dia hoe « Midera Anao aho Jesoa fa Andriamanitra tonga nofo ianao », tahaka ny Hira FFPM 77 dia hoe mihira fiderana.Fa raha remarqué-nareo ny hira ataontsika ato dia somary malefaka, satria ao anatin’ilay adoration dia tsy dia mahavoaka feo.

Miteny aminao ny Tompo manoloana ireo izay manompo andriamani-kafa sady miankohoka aminy hoe : ianao manompo an’ilay Andriamanitra marina, ilay Andriamanitra tokana,ilay Andriamanitra velona, manome occasion anao Izy hiankohofana eo anatrehany.