FANDAHARANA
- Sal 5:1-3
- Hira HF 48
- Vavaka
- Hira 205/1
- Soratra Masina 2 Pet 3:11-18
- Hira HF 29/2
- HAFATRA
- Vavaka + RZA
- Fanekem-pinoana 1
- Hira 499/1
- Tsodrano
II Petera 3:11-18
Konteksta:
Fanararaotan'ireo mpanao fampianaran-diso ny faharetan'Andriamanitra amin'ny fiverenany. Nosoratana ity toko ity ho fanamafisana orina ny finoana sy ho fampitandremana eo am-piandrasana ny fihavin'ny Tompo.
Mpino mihavao mandra-pihavin'ny Tompo:
1 - Mihavao amin'ny fahamasinana (andininy 11-12)
II Pet 3:11-12
Fampiharana: Fiainana mihohoka amin'ny fahotana samihafa. Manaiky mora ny zava-misy. Mifanaja zo.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay ihavaozan'ny fahamasinana.
2 - Mihavao amin'ny fanantenana (andininy 13)
II Pet 3:13
Fampiharana: Fiainana miondrika ao amin'ny fahoriana sy ny mora levona.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozan'ny fanantenana.
3 - Mihavao amin'ny fanompoana (andininy 14-16)
II Pet 3:14-16
Fampiharana: Sarotra ny mahita fanoloran-tena madio. Vitsy ny manda tena hiasa amin'ny fahazotoana. Mipasoka ny efa malama no betsaka.
ANTSO: Na izany aza, aza mandrimandry manan-draharaha. Aza mionona amin'ny efa vita. Tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozana amin'ny fanompoana.
4 - Mihavao amin'ny fahalalana (andininy 17-18)
II Pet 3:17-18
Fampiharana: Rehefa tsy mahalala ny olona dia voafitaka sy voambaka (Mitafia gony!). Rafitra tokoa: fihavaozana hafahafa. Be ny malaina mianatra fa mitsimpontsimpona (mitsindroka) izay sendra ren'ny sofina. Sarotra ny fotoana hampitomboana fahalalana.
ANTSO: Na izany aza, tadiavo ao amin'i Jesoa izay hihavaozana amin'ny fahalalana.
Mihavaoza ao amin'ny Tompo mandra-pihaviny:
- Amin'ny fahamasinana
- Amin'ny fanantenana
- Amin'ny fanompoana
- Amin'ny fahalalana
Ho an'Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amena.