Lioka 1 :49-50 ;55 : « Fa ny mahery efa nanao zava-dehibe tamiko ; ary masina ny anarany. Ary ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy hatramon’ny taranaka fara mandimby ».« Araka ny voalazany tamin’ny razantsika, tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay ».
Mifalia amin’ny fitiavan’ny Tompo : zavatra 3 no hotadidintsika anio. Mifaly isika :
- Fa nanao zavatra lehibe tamintsika ny Tompo ( and.49 )
- Satria mamindra fo hatramin’ny taranaka fara mandimby ny Tompo ( and. 50 )
- Satria mitana ny teny fikasany ny Tompo ( and. 55)
Fahamarinana 1 : MIFALIA FA NANAO ZAVATRA LEHIBE TAMINTSIKA NY TOMPO
Ny Soratra Masina novakiana teo (and.39-56) dia milaza ny fiderana nataon’i Maria sy Elizabeta, ary raha vakiantsika hatramin’ny and.80, voalohany dia manao fiderana an’Andriamanitra i Elizabeta (and.39-45). Ny fiderana nataony dia hoe tsy noeritreretinay mihitsy, izy mivady, sady tena nanompo an’Andriamanitra, ary tena mivavaka, fa izao, tsy nanan-janaka izy ; fa tao anatin’ny fahanterany, nasehon’Andriamanitra ny asa mahagaga : nomena zanaka izy ary Jaona no anarany. Midera an’Andriamanitra i Elizabeta. Faharoa, and. 46-56, dia fiderana nataon’i Maria. Ny zavatra nitranga indray dia izao : tsy nieritreritra mihitsy i Maria, ary izy mihitsy aza no mijoro vavolombelona hoe : izahay sy Josefa mbola tsy vita soratra, fa mahagaga fa nomena zazalahy, hiteraka zazalahy izahay ary ny anarany dia atao hoe Jesoa, Mpamonjy izao tontolo izao. Misy zavatra tsy takatry ny saina ataonao Andriamanitra eo amin’ny fiainanay : midera sy manome voninahitra aho noho ny amin’izay. Ary fahatelo, and. 57-80, i Zakaria indray no midera an’Andriamanitra, satria tena tsy nino Zakaria hoe hisy an’izany ; ary vokatry ny tsy finoany dia lasa moana izy. Rehefa teraka i Jaona dia hoe iza no atao anarany, dia hoe an an an, tsy misy an’izany anarana Jaona izany ao amin’ny fianakaviana, dia nalainy amin’izay ny tableau na fafana dia nosoratan’i Zakaria hoe Jaona no atao anarany. Ary nony avy eo, nisokatra ny vavany, afaka niteny izy.
Ry havana, misy zavatra lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Inona no dikan’ilay hoe nanao zavatra lehibe teo amin’ny fiainantsika ny Tompo (and.49) ? Ny hevitr’io teny io dia izao : Andriamanitra manao zavatra lehibe eo amin’ny fiainanao. Ny dikan’ny hoe zavatra lehibe eo amin’ny fiainantsika dia izao : Andriamanitra mihitsy no mamolavola ny fiainantsika. Tahaka ny tanimanga eo anatrehan’ny mpanefy azy isika ; ary rehefa Andriamanitra no mamolavola ny fiainanao, dia ho amin’izay tena tsara indrindra sy mendrika indrindra ary sarobidy sy lehibe indrindra no anaovan’Andriamanitra anao. Izany hoe tena vita, misy refy ara-dalana, misy refy voakajy ara-dalana, izany no nanaovan’Andriamanitra anao. Ny olona mety mieritreritra hoe mety tsy ho izany : tsia.
Rehefa ny Tompo no mamolavola antsika ry havana, noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, dia zavatra tena tsara indrindra ary manana antom-pisiana, izany no nanaovan’Andriamanitra anao. Misy antom-pisiana nanaovan’Andriamanitra anao ; tsy hoe atao ianao dia atao fotsiny. Ary tsy vitan’ny hoe antom-pisiana io ry havana, fa ny zavatra asehon’ny Tompo dia hoe tena ataon’Andriamanitra misy fahariana vaovao indray ny fiainanao. Ianao mahatsapa ny fahariana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao, fa ianao ihany koa amin’ny iraka ampanaovin’i Jesoa anao dia mahatsapa ny fahariana ampanaovin’Andriamanitra anao ny olona.
Misy tantara iray ity mampiseho hoe rehefa Andriamanitra no mamorona anao dia tena vita ara-dalana sahady ny antom-pisianao ary misy zava-baovao anirahan’ny Tompo anao : manao zava-dehibe eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Fotoana fety mantsy izao ry havana dia mamerina an’izay tantara izay aho : ny zanak’izy mivady 6, ary ny anaran’ilay faha-enina natao hoe Fara. Dia tena mivavaka ohatrantsika izao ry zareo, dia rehefa andeha mivavaka izy mivady dia tena ireny izy 6 mianadahy fa tena manao tohatra kely. Dia hoy ny mpiara-mivavaka : aoka izay, aza miteraka intsony ianareo fa rehefa mipetraka ianaoreo ao am-piangonana dia fenonareo ny dabilio iray, angaha anareo irery io dabilio io. Dia hoy izy mivady : aoka izay fa tsy hiteraka intsony isika. Ny anaran’ilay faha-enina, Fara ; fa tampotampoka teo, nisy zandriny i Fara, ka lasa 7 ry zareo. Dia hoy indray ny olona : aoka izay, aza miteraka intsony ianareo fa izao izao ianareo rehefa mipetraka ao am-piangonana, efa mihemotra ao aoriana ny anankiray. Dia hoy indray izy mivady : aoka izay fa tsy hiteraka intsony isika. Ny niafarany indray, tampotampoka teo, mbola nisy zandriny indray ny zandrin’i Fara. Lasa 8 ry zareo. Ary rehefa andro fety tahak’izao, mivory ny fianakaviana dia hoe : o rankizy, raha ny programan’i Dada sy Neny dia nijanona teo amin’i Fara ; ianareo mianadahy ireo tsy tao anaty programa mihitsy, mantsy ireo zandriny 2 farany. Dia hoy izy mianadahy : Dada sy neny an, misaotra an’i Jesoa izahay fa tena Jesoa no nahary anay araka ny endriny ; fa misaotra an’i Dada sy neny koa niteraka anay, fa raha tsy niteraka anay Dada sy Neny, tsy ampy Pasteur anankiroa ny Fjkm. Dia izao tsika miresaka izao, Pasteur izy mianadahy.
Ry havana, ny zavatra lehibe eo amin’ny fiainanao dia izao : tena noforonin’Andriamanitra ianao araka araka ny endriny, ary tena misy antony. Izany no namoronan’Andriamanitra anao eto amin’izao tontolo izao ; ary tsy vitan’izany, fa ny zavatra lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia izao : hay misy fotoana ianao tena raisin’Andriamanitra an-tanana ary batainy apetrany amin’ny toerana anankiray hanehoan’Andriamanitra ny zavatra lehibe. Mandrakariva mantsy ry havana isika rehefa metimety izay ny misy antsika, tsy mety hietsika intsony isika ary ny vavaka ataonao ary dia : « Jesoa an, aza avela hietsika eto intsony izahay fa mety aminay eto ». Tsia ry havana, misy fotoana ianao tena raisina an-tanana tahaka ny zazakely dia trotrona ary esorin’Andriamanitra izay mety heverina hoe efa mety aminao aza, ary misy fotoana isika tena mitomany, manganohano satria tsy fantatsika akory izay mbola hitondran’ny Tompo antsika kanefa tsy maintsy esorina amin’izany isika. Ny tanjon’Andriamanitra dia izao : tarihin’Andriamanitra amin’ny asa lehibe, asa mahagaga ianao ry havana, ary izay no tenin’i Jesoa tamin’i Natanaela, hoe mbola tsy niteny akory aho dia hitako teo ambany aviavy ianao dia hoy Jesoa taminy : izany ve no lazainao ? Mbola hahita zavatra lehibe noho izany ianao. Izany ny fitiavan’ny Tompo ry havana ; ary ny zavatra lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ny fampiarana an’izany dia ireto zavatra anankiroa ireto :
- Mahita fitia tamin’Andriamanitra isika (and.30). Ny dikan’ilay hoe fitia io dia mitovy amin’ilay fiarahabana nataon’ny anjely an’i Maria hoe Arahaba ry ilay nohasoavina. Ilay fitia io dia milaza hoe fahasoavan’Andriamanitra. Izany no hitehirizan’Andriamanitra anao : matoa ianao tahaka izao, tena sitrapon’Andriamanitra fa tsy sitrapon’olombelona, ary tsy sitraponao akory aza, fa tena sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ny fiainanao. Ary ny fahasoavana eto dia izao : hay Andriamanitra naneho ny voninahiny sy ny fahefany araka ny teny hoe zavatra lehibe tamiko, fa ny Mahery. Ilay Mahery io ry havana dia milaza hoe dinamita. Izay no dikan’io amin’ny teny fototra, na ny teny grika izany. Ary mifanakaiky aminy hoe ny zavatra lehibe, ny dikany dia izao : tena misy zavatra tsy eritrererinao ho vitan’Andriamanitra, fa Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ilay nandresy ny fahafatesana no mitondra anao mandrakariva ho amin’ny famonjena ary amin’ny fahasoavana.
- Ary tsy vitan’izany ry havana, fa ilay zavatra lehibe ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia izao : mitarika antsika ny Fanahy Masina (and. 35). Ny petrak’olana na problème ry havana dia hoy Maria : « ahoana kay no ahatongavan’izany ? tena tsy haiko izany ». Ary na eo amin’ny fiainanao aza, dia hoe tsy vita intsony izany, tsy misy mahay an’izany. Fa ny dikany dia hoe ny Fanahy Masina mahay zavatra rehetra, ny Fanahy Masina dia manerana ny toerana rehetra, ary ny Fanahy Masina dia manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra. Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra ; Andriamanitra mahagaga Izy, izany no hitarihin’ny Tompo anao isan’andro isan’andro. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, inona no sitrapon’Andriamanotra ho antsika amin’izany ? Ny sitrapon’Andriamanitra ho antsika dia izao : Aoka ho feno Fanahy Masina sy vavaka ianao. Ny mampiavaka ny filazantsara araka ny Lioka dia manao zav-dehibe ny fiainam-bavaka sy ny fandehanana araka ny Fanahy Masina. Aoka ho fenon’ny Fanahy Masina ianao isaky ny maraina, isan’andro, hoe : « Fanahy Masina o, tariho aho », fa andrirahona sy andriafo no hitarihin’ny Fanahy Masina anao. Mety misy zavatra efa voaomanao tsara, fa misy zavatra kinasin’Andriamanitra ho anao anehoan’Andriamanitra ny heriny eo amin’ny fiainanao Andriamanitra.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, rehefa nanontaniana ireto olona maromaro, sy ny katekomena : « inona kay ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ? ». Dia hoy ny katekomena anankiray : « narary aho dia nositraniny » ; hoy ny anankiray : « tsy nahita asa aho dia nomeny asa » ; hoy ny anankiray : « niatrika ny fahavalo aho, tena antsy mihitsy no nanambanan’ny fahavalo ahy, fa dia nahagaga fa narovan’Andriamanitra aho ». Ary ny anao kosa mba ahoana mantsy an’ilay tovovavy anankiray ? « Ny ahy ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra ahy teo amin’ny fiainako dia izao : navelan’i Jesoa ny heloko, voavela heloka aho, Jesoa no namela ny heloko.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany no hevitry ny teny hoe fahasoavana : voavela heloka aho, mamela helokao ny Tompo.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ao anatin’izao famaranana ny taona izao dia miandry ny kabarin’ny filoham-panjakana ny maneran-tany. Ny an’ny mpiasam-panjakana, rehefa mikabary ny filoham-panjakana dia fisondrotan-karama no andrasany ; ny olona any am-ponja, famotsoran-keloka no andrasany. Ry havana, ny zavatra sarobidy ho anao amin’izao faran’ny taona izao, na inona na inona mety heverinao hoe fisondrotan-karama , ka na azonao aza izao rehetra izao kanefa very ny ainao, hitondra inona aminao moa ? Fa ny tena harena sarobidy, ny zavatra lehibe tokony tsarovanao anio raha miala eto ianao dia izao : voavela ny helokao, nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao. Ary izany no fifaliana, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe misy fifaliana lehibe tahak’izany ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka any an-danitra. Ny anjaranao anio ry havana dia ny mibebaka, « tsy hamerina intsony aho Jesoa an, ny amin’ny fahotana izay nataoko. Ary mangataka aminao aho Jesoa, esory amiko izany fahotana izany ». Raha ianao anie no mitantara an’izany amin’i Dada sy Neny e, ry tanora na ry zanaka : « Dada sy Neny an, tsy amerina an’izao fahotana izao intsony aho » : faly Dada sy Neny. Ary Dada sy Neny koa rehefa mifampiresaka, hoe «Dada an, izaho tsy amerina an’izao intsony » amin’i Neny na hoe Neny tsy amerina izao intsony amin’i Dada, dia miteraka fifaliana izany. Ny anjaranao dia ny mibebaka. Satria nahoana ? Nanao zavatra lehibe teo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Ary tsy izay ihany, fa amin’izao andro sisa izao, maneke hotarihin’ny Fanahy Masina ianao fa ny fitarihan’ny Fanahy Masina anao ry havana no ahatsapanao tokoa fa sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra ianao amin’ny fiantsoany anao.
Fahamarinana 2 : MIFALIA FA MAMINDRA FO HATRAMIN’NY TARANAKA FARA MANDIMBY NY TOMPO
Ny dikan’ny famindram-po dia izao : tena miahy antsika ny Tompo, tena mikarakara anao Jesoa, mikarakara anao Andriamanitra. Dada sy Neny mikarakara ihany, zoky sy zandry mety mikarakara anao, ny mpampiasa anao mety mikarakara anao, fa tsy ampy izany. Fa ny tena mikarakara anao dia Jesoa Kristy ; ary na ny zavatra hatramin’ny antsimpiriany indrindra aza, izany no karakarain’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Isika mantsy ry havana, jereo anie ny zavatra maneran-tany e, fa na inona na inona fahaizan’ny olombelona, misy fetrany ihany ary misy zavatra tsy voafehinao mihitsy. Fa Andriamanitra mahagaga, Andriamanitra tena miahy antsika, tena mamindra fo amintsika, izany no mikarakara anao isan’andro isan’andro. Ary Izy, mbola tsy ary ianao dia efa nokarakarainy ; tonga eto ianao mbola karakarainy ; mandra-pahantitrao, mandra-pahafotsy volo ary mandrakizay anao, efa karakarain’ny Tompo mandrakizay. Ary ny hevitry ny hoe mamindra fo dia izao : tena miombona amintsika ny Tompo, miara malahelo aminao Izy, miara mitomany aminao Izy, miara mifaly aminao Izy ; izay ny fitiavan’ny Tompo antsika isan’andro ry havana. Izany no fiombonana ary Jesoa ihany no manana an’izany toetra izany ; Izy no mahalala ny momba anao. Fa hitanareo, amin’ny malagasy dia hoe fifalian’ny sasany fahorian’ny sasany – ary fahorian’ny sasany fifalian’ny sasany ; fa ao amin’i Kristy irery ihany ianao no mahatsapa hoe hay Jesoa Kristy miaraka amiko. Ary io ry havana, raha mijery ny hevitra fototra isika dia tsaroantsika, vao nankalaza ny Noely isika : io ilay antsointsika hoe Imanoela, Amintsika Andriamanitra. Mialohan’ny nahafatesan’i Jesoa, Imanoela amintsika Andriamanitra. Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia ny zavatra noteneniny tamin’ny mpianatra : momba anareo mandrakariva Aho. Ny dikany dia hoe miaraka aminareo Aho. Misy foto-teny iraisana ao dia hoe miaraka amintsika ny Tompo.
Ao anatin’izao fety izao ry havana, mety ny fiainanao manontolo dia hoy ianao : « irery aho, miady irery aho, tsy misy namana aho, tsy mba misy miantso akory rehefa tonga ny krismasy, na message aza tsy alefan’ny olona akory, tsy nahazo aho ». Tsia ry havana, ny tsaroanao anio dia izao : miaraka aminao ny Tompo ; ary rehefa miaraka aminao ny Tompo dia izao : tena tia anao Andriamanitra, tia anao Jesoa na inona na inona fiheveranao ny tenanao : tia anao ny Tompo. Ary izay ry havana, tsy ianao ihany fa hatramin’ny taranaka mifandimby omen’Andriamanitra anao. Ny dikan’ny hoe taranaka eto ry havana dia izao : ny anankiray dia ny zanaka nomen’Andriamanitra anao, ary ianao izay miaina ankehitriny izao, ary ny fianakaviana manontolo, ary ny fiafarany aza, hatrany amin’ny firenena. Izany no omen’Andriamanitra anao ry havako. Mafy anie ry havana e, tena mafy izany hoe ianao mivavaka : ohatra hoe Dada sy Neny ianal tonga eto, ny zanakao lahy na ny zanakao vavy tsy mivavaka ; na ny zavatra hitranga indray dia izao : ny zanaka lahy sy ny zanaka vavy mivavaka fa Dada sy Neny tsy mivavaka. Ary rehefa manontany hoe : « Dada an, maninona Dada no tsy mivavaka ? », « an an an, rehefa ato an-trano fotsiny aho dia mivavaka e, angaha ianareo mahita izay ataoko ato an-trano ». Mavesatra izany ry havana, ary misy fotoana ary tena hoe mijanona eo aminao ny fiainam-bavaka ; tahaka an’ilay hoe olona mamorona orinasa dia eo amin’ny taranaka fahatelo, mijanona eo amin’izay fa rehefa avy eo tsy mitohy intsony ilay izy. Fa ny fanamby ho antsika ary ny tena fifaliana no antsika ry havana, ary izay ny Alahadin’ny fiantsoana, hatramin’ny taranaka fara mandimby omen’ny Tompo anao dia manaiky fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ny fiainany. Ary izany no fanantenana ho antsika, izany no harena lehibe indrindra ho antsika ry havako.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny taranaka omen’ny Tompo anao eto dia izao : hay efa misy antony mazava mihitsy nanomezan’Andriamanitra ny taranakao ho anao. Misy antony mazava. Hitantsika teo fa ny Dada sy Nenin’i Fara tsy nahalala hoe naninona izy mianadahy ireto no misy ; fa ny taranaka omen’ny Tompo anao dia tena azavain’Andriamanitra hoe ireto ny iraka lehibe ampanaovin’ny Tompo anao eto amin’izap tontolo izao ; ary tsy vitan’izany, fa hay ihany koaa dia efa misy tanjona omen’ny Tompo azy ireo tsirairay avy ; ary tsy vitan’ny hoe tanjona fa efa misy toerana sy vokatra tsara omen’ny Tompo ny taranakao ry havako : aza matahotra ny amin’ny ho avin’ny taranakao, aza matahotra ny ho avinao ry tanora o, aza matahotra ny fitondran’Andriamanitra anao e, fa tsarovy fa izao : rehefa matahotra an’Andriamanitra isika, ny dikan’ny hoe matahotra eto dia hoe tena mivavaka amin’Andriamanitra isika, manolo tena ho an’Andriamanitra, ary tsy vitan’izany aza fa ny hevitr’izany dia hoe tena tia an’Andriamanitra, izany no antom-pisianao : izay sehatra misy anao ry havako, ny antom-pisianao dia Jesoa Kristy irery ihany. Paoly Apostoly manana ny maha-izy azy an, omaly isika namaky ny bokin’ny Filipiana : raha resaka tetiarana, manana aho. Tetiarana izany : firazanana : ananako izany. Eo anatrehan’ny lalàna, tsy mana -tsiny aho ary raha resaka diplaoma, fantatro ary haiko tsara ny zavata rehetra. Fa hoy izy : ataoko fatiantoka izany noho ny fahalalana tsara an’i Kristy. Ary hoy izy : Kristy no anton’ny ahavelomako ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Ny hevitr’izany ry havana, araka ny tenin’i Maria, eo amin’ny and.38. Ny ahafantarana fa tena matahotra ny Tompo ianao ry havana dia izao : voalohany dia izao : tena manolo tena ho an’i Jeso ianao « Anao aho Jesoa manombok’izao ». Ary ny dikan’ny hoe manolo-tena ianao ry havana, rehefa tena manolo tena ianao dia tena fantatrao amin’izay ny hoe eto ny mari-drefy misy ahy. Ao anatin’izao famaranana ny taona izao dia hoy ny mpitantana orinasa hoe andao isika hanao tomban’ezaka : taiza isika teo aloa ary aiza isika izao ary ho aiza isika rapitso ? Di samy manao araka ny fahalalana izay itarihin’ny Tompo azy eo. Fa ianao koa ry havana, ahatonga anao tsy ho diso ny mari-drefy izay andrefesanao ny fiainanao, dia ny ahafantaranao fa tena marina ny fiainanao dia izao : manolo tena ho an’i Jesoa ianao. Ary tsy vitan’izany, fa rehefa tena manolo tena ho an’i Jesoa ianao dia tena mahatsiaro hoe maivana ny entanao, tena maivana. Rehefa nanolo tena ho an’i Jesoa i Maria na Josefa na Zakaria na Elizabeta, dia ny tsaroany diao izao : tena maivana ny fiainany satria misy fanontaniana saro-baliana tsy voavalinao mihitsy eo amin’ny fiainana fa ny fanoloran-tena ho an’i Jesoa, hanananao valin-teny haingana sady mahafa-po ny fiainanao. Jesoa irery ihany no valin-teny tsara indrindra ary mahafa-po eo amin’ny fiainantsika.
Tantara kely anankiray izay fantatrareo : Ronald Reagan, filoham-pirenena amerikana ; 18 taona izy dia ataontsika mifanandrify amin’ny amin’ny Talata izao ny tantara, 01 Janoary 2019. Ny dadatoan’i Ronald Reagan mpanao kiraro, dia hoy ny dadatoany : « Ronald Reagan, inona ny kiraro omena anao amin’ny 01 Janoary ho avy izao amin’ny taom-baovao ? Inona ny kiraro tianao : maranitra ny lohany sa carré carré ny lohany ?» Dia hoy Ronald Reagan hoe aoka aloa izaho hieritreritra dadatoa an. Tonga indray ny Alatsinainy 31 Desambra, inona ihany ilay kiraro tianao ho amin’ny taom-baovao, entinao ? Dia hoy izy hoe aoka aloa aho hieritreritra ihany dadatoa aloa an. Safidy roa no omeko anao : na kiraro maranitra ny lohany, na carré carré. Dia tonga ny 01 Janoary, iny amin’izay izy nitondra an’ilay kiraro. Omeko anao amin’izay ny kiraronao anaka. Faly ery Ronald Reagan, inona re izany kiraro izany ! Navoakan’ny dadatoany ilay kiraro : ny ankavia maranitra ny lohany, ny ankavanana carré carré ny lohany. Dia nihomehy ohatranareo izany i Ronald Reagan dia hoy ny dadatoany : rehefa tsy manapa-kevitra ianao anaka, ny olona no manapa-kevitra amin’ny fiainanao. Ary rehefa tsy manapa-kevitra ianao, dia izao tontolo izao no mibaiko ny fiainanao. Ny fanapahan-kevitra tsara indrindra dia Jesoa Kristy, ary tsy hanenina ianao rehefa manapa-kevitra fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy anao ; ary tsy vitan’izany ry havana, fa ny olona izay tena mahatsapa hoe matahotra ny Tompo, manolo tena izy fa manetry tena. Ilay teny hoe ankizivavin’ny Tompo ry havana dia teny anankiray marary antsika ny mandre azy. Ary tsy zakanao mihitsy ary tsy tianao averimberina dia ilay teny hoe « andevo ». Ny dikan’io ry havana dia izao : ny olona izay tena matahotra ny Tompo dia tena mahatsapa mandrakariva hoe tena mietry ary manetry tena mandrakariva. Na inona na inona fanandratan’ny olona anao, na inona na inona fahombiazanao, manetre tena, omeo voninahitra Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy Masina, fa izany no fifaliana ho anao ; ary misaora an’i Jesoa amin’izay fitondrany anao, amin’ny fitondrany ny fianakavianao, ny fiainanao iray manontolo : isaory an’Andriamanitra izany. Ho avy ny famaranana ny taona, na inona na inona fandaharam-potoananao, soraty avokoa ny anaram-pianakaviana ary ataovy zava-dehibe ny fivoriam-pianakaviana hivavaka ary hanapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra Ray, zanaka ary Fanahy Masina, tahaka ny tenin’i Josoa manao hoe Raha izaho sy ny ankohonako, dia hanompo an’i Jehovah izahay. Ataovy zava-dehibe ry havana o, amin’izao famaranana ny taona izao, mitondra ny fianakaviana : raha Dada sy Neny ianao no eto, ataovy ho zava-dehibe ny famoriana ny taranaka. Ny tanjona dia izao : hanolo tena ho an’i Jesoa ny ankohonana. Raha zoky ianao no eto, ataovy ho zava-dehibe ny fiantsoana ny zandry hanolo tena ho an’i Jesoa fa izany no harena sarobidy indrindra ho azy ireo.
Fahamarinana 3 : MIFALIA FA MITANA NY TENY FIKASANY NY TOMPO
Inona ny hevitr’izany teny eo in’ny and.55 izany ? Ny tenin’Andriamanitra izay lazaina eto dia izal : izany tenin’Andriamanitra izany dia marina eo amin’ny fiainantsika
Ny eto amin’izao tontolo izao dia miovaova ny marina ; ary rehefa miady hevitra amin’ny olona ianao dia hoy ny olona hoe marina aminao izany fa tsy marina aminay. Fa ahatonga anao ry havana, tena ahatsapa ny fahamarinana dia izao : ny tenin’Andriamanitra irery ihany. Fa Jesoa Kristy ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Ary tsy izany ihany ry havana, fa io fahamarinana lazainy io dia izao : Andriamanitra mihitsy no manambara ny marina eo amin’ny fiainanao. Izany hoe iharany isika. Fa misy fotoana isika na dia te hanao zavatra tsara aza, voafetra ihany. Ary tsy manana tanjam-panahy na finiavana ; fa noho ny asan’ny Fanahy Masina, amin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, dia Izy mihitsy no manambara izany eo amin’ny fiainantsika. Ary tsy izany ihany, fa ilay fikasan’Andriamanitra dia izao : mba hahatonga ny fiainanao ho azo antoka, hahatsapanao ny tombom-pahasoavana omen’Andriamanitra anao. Tsy maty antoka ianao rehefa niaraka amin’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao raha namakivaky ny taona 2018 ; ary tena tsaroanao fa tena nilain’Andriamanitra ianao, tena nilain’i Jesoa ianao. Misy fotoana mantsy isika ry havana rehefa miresaka amin’ny olona, rehefa vita ohatran’izao ny asa, dia hoy isika indraindray milaza hoe inona moa izay izahay e ? Izahay angaha mba ilaina akory ! Tsia ry havana, tsy izany intsony ny ho valin-teninao manomboka izao. Hay tena nilain’i Jesoa ianao, ary zava-dehibe eo imason’ny Tompo ianao. Satria nahoana ? Misy tanjona feno fandrosoana hatrany hitarihan’ny Tompo anao ; ary ny dikan’izany dia izao : Izy Andriamanitra efa nanao ny fanekeny tamin’i Davida sy Abrahama,zanaky ny fanekena, ambara eo amin’ny fiainanao fa Izy no manome antoka anao, antoka izay ahatsapanao ny famonjena. Ary tena ahatsapanao ihany koa izany tena fitondranao Andriamanitra, fa ho avy Ianao, ho avy Ianao. Ary ny dikan’ny hoe ho avy dia izao : efa manomana antsika sahady ny Tompo ; fa ho avy Jesoa, manomana antsika ny Tompo mba hiova toetra isika ary hibebaka isika, ary indrindra indrindra hananantsika koa izany famonjena mandrakizay mandrakizay izany. Hoy ny and.79 : « Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana, hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana ». Ry havana malala ao amin’ny Tompo, inona no dikan’izany teny izany ? Ny dikan’izany dia izao : ny fitarihan’i Jesoa antsika ry havana dia fitarihan’i Jesoa ho amin’ny fiadanana. Ny dikan’ny hoe fiadanana dia ho amin’ny firindrana : tena arindran’ny Tompo ny fiainanao manontolo, ary tsy vitan’izany fa ho amin’ny filaminana. Ary ny dikan’ny hoe filaminana dia hoe tena tsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ilay niantso sy nifidy ary nanolorany tena ka azonao antoka ny famonjena.
Hoy ny teny fanevantsika ry havana manao hoe : « Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao ». Inona no dikan’izany ? Fehiny dia izao : ny efa nomen’ny Tompo anao ry havana, tazomy tsara izany. Aza atakalo fa sarobidy ny famonjena nomen’i Jesoa ho anao. Ary izany no nahatonga ireo mpaminany maro ao amin’ny Soratra Masina, rehefa tambatambazan’ny olona maro izy, dia izao no lazainy hoe ento ho anao ny anao ho an’olon-kafa. Ary izay no mahatonga ny hiran’ireo kristiana ray aman-drenintsika hoe : Ampy ahy Jesoa hatrety, ampy ahy Jesoa hatrary. Tazomy mafy ry havana. Ary ny hevitr’io hoe tazomy mafy io dia tahaky ny manam-pahefana ry havana na mpitandro filaminana izay misalotra olona anankiray. Dia tahak’izany koa ny atao hoe fisamboranao, fihazonanao mafy ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy. Ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy, izany no miteraka famonjena sy fahasoavana. Ary ny fahasoavana dia satrohin’Andriamanktra ny satroboninahitra ianao. Mifarana ny taona ry havana : aza mijery izay hoe inona ny fahalemenao, fa mety voafetra ihany ianao amin’ny famaritanao izany ; fa manomboka izao, jereo Jesoa Kristy ilay niantso sy nifidy anao ary manomboka izao, tazomy mafy ny finoana efa ao anatinao ; ary ny dikan’izany dia izao : hoy ny Soratra Masina : « Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao ».
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ho amintsika kosa ny fahasoavany.
Amena.