Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 18 MARSA 2018

Marka 6 :7-13
1. Miantso anao i Jesoa satria te hamonjy anao
2. Maniraka anao i Jesoa
3. Manome torimarika anao i Jesoa
4. Miandry vokatra avy aminao i Jesoa

ALAHADY 11 MARSA 2018 – FPMA Toulouse

Efesiana 2:8-10: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra; tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy".

ALAHADY 11 MARSA 2018

Apokalypsy 3:1-6: "Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ ilay manana ny Fanahy fiton’ Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’ Andriamanitro. Dia tsarovy ny amin’ ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana".

Resaka CONNEXION

  1. Miteny momba anao ny Soratra Masina
  2. Miteny aminao ny Soratra Masina
  3. Miteny ho anao ny Soratra Masina

ALAHADY 04 MARSA 2018

Ezekiela 18:30b-32:"Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty hianareo, ry taranak’ Isiraely? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona".

Resaka lamosina

Fahamarinana 1: AOKA IZAY NY FANOMEZANA LAMOSINA AN'ANDRIAMANITRA

Fahamarinana 2: MIBEBAHA KA ESORY NY FAHADISOANA REHETRA

Fahamarinana 3: MANGATAHA FA NY TOMPO NO MANOME FO VAOVAO SY FANAHY VAOVAO