Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 01 JOLAY 2018

Asan’ny Apostoly 26 :29 : « Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany ».

RESAKA PROFIL

Lazaina isika Fiangonana hoe « sahia mitory fahamarinana » ; fa alohan’izany, manontany anao ny Tompo hoe : MANANA PROFIL HITENY FAHAMARINANA VE IANAO ?

Fahamarinana 1 : NY OLONA MANANA PROFIL HITENY FAHAMARINANA DIA OLONA NIOVA FO KA MITORY FILAZANTSARA

Fahamarinana 2 : NY OLONA MANANA PROFIL HITENY FAHAMARINANA DIA TSY TARANAK’I FESTOSY ARY TSY TARANAK’I AGRIPA

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA PROFIL HILAZA FAHAMARINANA DIA OLONA MPIVAVAKA

ALAHADY 24 JONA 2018

Matio 6:12;14-15: " Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo
Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo".

RESAKA MPAMELA HELOKA.

Fahamarinana 1: Ny filàna fototra ho an'ny olombelona dia ny famelan-keloka.

Fahamarinana 2: Diso kajy ny olona mieritreritra fa hahazo famelan-keloka avy amin'Andriamanitra, kanefa izy tsy mahay mamela ny hafa.

Fahamarinana 3: Voa double ny olona tsy mpamela heloka: sady tsy voavela heloka izy no hanimba ny fanahiny izany tsy famelany heloka izany.

Fahamarinana 4: Fanehoana finoana, acte de foi ny famelana heloka

ALAHADY 17 JONA 2018

Apokalypsy 12 :11 : « Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza ».

MINO IZANY HERIN’NY RA IZANY VE IANAO ? ARY EFA MIVELONA AMIN’IZANY HERIN’NY RAN’I JESOA IZANY VE IANAO ?

RESAKA HERIN’NY RA

Fahamarinana 1 : NY HERIN’NY RA DIA MIASA AMIN’NY OLONA VITA FANEKENA AMIN’I JESOA
Fahamarinana 2 : NY RAN’I JESOA DIA MANADIO SY MANAFAKA
Fahamarinana 3 : MIARO NY FIANAKAVIANA AMIN’NY FANDRINGANANA IO RA IO

ALAHADY 10 JONA 2018

Estera 4 : 14. "fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?"

FANTATRAO MAZAVA VE IZAY PROGRAMAN'NY TOMPO HO ANAO ETO AMIN'ITY FIRENENA ITY?
RESAKA KINTANA MAMIRATRA

Fahamarinana 1 : AHASOEROSY SY HAMANA DIA NAMPIASAIN’ANDRIAMANITRA FA TSY NAHAFANTATRA
Fahamarinana 2 : MORDEKAY SY ESTERA